Taratra

Mpamonjy Voina: Nisitraka fitaovana fiarovana

Nisitraka fitaovana fiarovana mandritra ny fanatanterahana ny asa (Epi) ireo mpamonjy voina miisa 362. Hanampy azy ireo hanatanteraka ny asany amim-pahombiazana sy amim-pilaminana kokoa ny fampiasana ireo fanomezana ireo. Anisan’izany ny fanomezana avy amin’ny vondrona mpamonjy voina kanadianina. Teo ihany koa ny orinasa Vitafoam izay nanolotra kidoro miisa 70 ho […]

Pentathlon – Alaotra Mangoro : Lany ho filoha i Brechard

Anisan’ireo taranja mijoro ara-dalàna ary manana rafitra federaly eto Madagasikara ny Pentathlon moderne malagasy (FMPM). Nahatsangana ligy vaovao ny faritr’Alaotra Mangoro, ny alahady lasa teo. Voafidy ho filoha hitantana izany, mandritra ny efa-taona, Razafimandimby Eu­gè­ne Brechard. Nambarany fa vonona ny tenany hitondra avo ity taranja vaovao ity ao amin’ny faritra […]

SOOKANY Trophy : 10 tapitrisa Ariary ho an’izay voalohany

Hotanterahina eny amin’ny ranomasina Rame­na, Diego Suarez, ny lalao fifanintsanana hazakazaka ho an’ireo sambo “boutres, Sookany Trophy”, andiany voalohany. Raha ny fila­zan’ny tomponandraikitra, omaly, tetsy Antaninarenina, hahazo lelavola 10 tapitrisa Ariary izay sambo mahazo ny laharana voalohany amin’ity fifaninanana ity. Miisa 38 eo ireo sambo hifaninana, ahitana tantsambo miisa efatra […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa apetraka ny tetezamby vonjimaika (Pont Bailey), eo amin’ny tetezana Mangapaika, lalam-pirenena RN4, PK505. Simba tanteraka ilay tetezana, nodomin’ny fiarabe, izay efa nesorina tao ambany tetezana. Mandeha ara-potoana ny asa eny an-toerana, ny fitaovana mandrafitra ny tetezamby, hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana. Tsiahivina fa efa misy ny fivilian-dalana, mandra-pahavita ny […]