Taratra

Miandry an’i Paoly

  Nankaiza nankaiza ilay fikaonandoham-pirenena? Fanontaniana apetraky ny olona maro amin’izao fotoana. Tsy nandrenesam-peo intsony hatramin’ny FFKM, izay noheverina ho raiamandreny eto amin’ny firenena. « Toa jamban’ny vola tokoa angaha? », araka ny fanakianana re etsy sy eroa. Manomboka mampiaka-pofona ny sarambabem-bahoaka fa lasa tratran’ny fandrebirebena faobe indray. Tena ireo noheverina fa […]

Fiaraha-miasa amin’ny Rosianina : Nanamafy ny traikefa ny vondron-kery eny Mahazoarivo

Nifarana omaly ny fiofanan’ireo folo mirahalahy eo anivon’ny vondron-kery eny amin’ny Primatiora (BSP) Mahazoarivo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Rosianina izany. Nambaran’ny Praimi­ni­sitra Rajaona­rison Ma­mi­tiana fa ma­me­traka ho zava-dehibe ny fanofanana hanatevenana traikefa sy ny fampitaovana ireo miaramila sy zandary ary polisy eo anivon’ny BSP ny tenany. Ni­tondra ny traikefany […]

TSELATRA

Napetraka omaly, teny Ambohimalaza, eo amin’ ny faritry ny tanin’ny Frère Capucin, ny Tsangambato fahatsiarovana, vonjimaika, ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fankalazana tsingerin-taona mainty teny Ambo­himalaza. Nahatratra 35 ireo tanora maty tamin’izany. Nisy ny fotoam-pivavahana nampaherezana ireo ray aman-dreny sy fianakavian’ny maty sy narary, omaly, teny an-toerana. Tokantrano […]

Ambana marolafy: Mbola tsy foana ny ady fa miova endrika vaovao

Nitohy omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny andro faharoa eo amin’ny fihaonana narahina famelabelan-kevitra notarihin’ny avy ao amin’ny « Ecole d’état-major » (EEM) na ny sekoly ambonin’ny Tafika Malagasy. Ny lohahevitra « Foloalindahy miatrika ny ambana marolahy »  hatrany no nifantohan’ny dinika. Ani­san’­ireo mbola namelabelatra manodidina ity lohahevitra ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]

Fahafatesan-dRabenirina Jean-Jacques: Voaheloka higadra 30 volana ilay mpamily

Nivoaka, omaly, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny didy momba ny raharaha nahafaty ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Olona fito no voarohirohy, izay nahitana ny mpamilin’ny kamiao sy dokotera enina. Taorian’ny didy, voaheloka higadra 18 volana noho ny fanaovana vono olona tsy nahy, miampy fandoavana […]