Tsy tao an-trano ny tompon-trano ka nanararaotra nikasa hamaky ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Ratsoa. Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy, omaly, tao Amboromanina fokontany Andranovao, kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano. Nisy nahatsikaritra ity jiolahy ity niditra tao an-tranon’olona ka niantso ny zandary ao amin’ny […]
Taratra
Nirahina hividy menaka : ankizy 14 taona niharan’ny fanolanana
Lehilahy 29 taona nanolan-jaza nosamborin’ny mpitandro filaminana. Nitantara ny nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ny ankizivavy iray 14 taona, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fidirana, distrikan’ i Mandoto, ny harivan’ny 9 janoary teo. Nirahan-dreniny hividy menaka atao amin’ny sakafo io ankizy io, tamin’ny 6 ora hariva. Nifanena lehilahy monina tsy lavitra […]
Nanendaka teny Anosibe: Jiolahy roa matin’ny polisy
Maty voatifitry ny polisy tanaty elakela-trano iray eny Anosibe, omaly, ireo mpanendaka roa lahy mpampihorohoro ny mponina. Nahitana fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo. Mafy ny fifandonana teo amin’ny polisin’ny UIR sy ny jiolahy teny Anosibe akaikin’ny tsena, omaly vao maraina. Maty rotiky ny balan’ny polisy raha nikasa hanohitra ny mpisambotra azy […]
Rugby – “AROI 2024”: hifantina Makis kely ny Federasiona
Hanatontosa fifantenana ho an’ireo izay handrafitra ny Makis, sokajy zandriny U16 sy U18, lahy sy vavy, ny Malagasy Rugby. Hetsika hatao ny sabotsy 13 janoary ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Anton’izany, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly, ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho […]
SOMBIM-BAOVAO
Nitohy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny fanomanan-tenan’ny Ankoay Seniors, lehilahy, hiatrika ny fifaninanana, Pré-qualiafication « Afrobasket 2025 ». Fifaninanana hatao eto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao. Mpilalao 12 hatramin’izao no efa mivondrona ary andrasana kosa ireo mila ravinahitra. Fandaharam-potoana goavana miandry ny taranja kick-boxing malagasy, amin’ity taona […]




