Mozika tsisy fefy, etsy amin’ny Custom Café. Afaka manomboka ny fialamboly anio manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina ny mpankafy ny gadona Rock, Funk ary Jazz. Hianjoria miaraka amin-dry Eric Rakotoary eo amin’ny gitara beso, Gérard Ratsimiseta eo amin’ny gitara ary i Eric Andrianiaina eo amin’ny amponga maroanaka. Ny […]
Taratra
Taona 2024: ahiana tsy hisy fivelarana ny zavakanto
Miankina amin-javatra lehibe maro ny fivelaran’ny kolontsaina eo amin’ny firenena iray. Raha tsy misy mpijery, ohatra, ny rindrankira eny an-tsehatra, tsy hahita fivelarana ny mpanakanto sy ny zavakanto ataony. Rehefa tsy manana ny fahefa-mividy hianarana kabary, ohatra, ny tanora, azo antoka fa tsy hanana olon-dehibe mahay kabary ny fiarahamonina. Manao […]
“RDJ Mozika 2023” : hisokatra ny faran’ny herinandro ny safidy
Homena mari-pankasitrahana ireo be mpankafy. Tsy mivaona amin’ny fanaony isan-taona ny onjam-peo RDJ amin’ ity. Ny voalohandohan’ny taona toa izao mantsy no fanomezana sehatra ireo mpihaino sy mpankafy, amin’ny fisafidianana izay mozika, mpanakanto, seho, sns, izay heverin’izy ireo ho mendrika, anatin’ilay hetsika “RDJ Mozika”. Hotontosaina ny alahady 4 febroary ho […]
Fampirantiana « Misy diso » : Madagasikara sy ny maha malagasy no asongadin’i Cynthia C.
Mamaky sehatra ny Fondation H, amin’ity taona 2024 ity, ny fampirantiana “Misy diso” an’i Cynthia Colney. Mitondra fahalalana, ahafantatra bebe kokoa ny maha malagasy sy i Madagasikara izany fampirantiana izany. Manatanteraka fampirantiana ao amin’ny Fondation H, ao Paris Frantsa, i Cynthia Colney, Malagasy mpahay kanto manana ila Frantsay. Nanomboka omaly […]
Ananambo : be otrikaina sy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
Miova ary mihasimba ny toetr’andro maneran-tany, tafiditra amin’izany i Madagasikara. Mizaka izany avokoa ny olombelona sy ny karazan-javamananaina rehetra amin’ny ankapobeny. Vokany, simba avokoa ny tontolo iainana. Mitombo ny tahan’ny tokantrano tratry ny tsy fahampiana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’ny vahaolana amin’izany ny famokarana sy fihinanana Ananambo. Mitondra soa sy […]




