Taratra

Fotobohitra – Mananjary : Kamiaobe roa an’ny BNGRC nivadika

Nitrangana lozam-piarakodia niteraka fahasimban-javatra tao Fotobohitra, distrikan’i Mananjary, afakomaly alina. Kamiaobe roa an’ny BNGRC (Birao manokana miandraikitra sy misahana ny loza voajanahary) samy mitondra fa­nampiana (vary, menaka, voamaina) no tra-doza tampoka teo amin’io toerana io. Nifa­narakaraka ireo kamiaobe roa ireo kanjo lany rivotra ilay fiara tao aoriana, araka ny voalazan’ny […]

Ankadikely : lehilahy namboly rongony tanaty vazy

Saron’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Ankadikely Ilafy, afakomaly, ny lehilahy iray vao 19 taona. Nisy olona nahatsikaritra ny fisian’ity lehilahy mamboly rongony anaty fitoeram-boninkazo ity ka niantso polisy avy hatrany. Voamarina tokoa ny fisian’ireo rongony nambolena tao anaty fitoeram-boninkazo ireo. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, […]

Vono olona mahatsiravina : Tovovavy nesorina ny lelany sy ny sofiny

Ny sakaizany ihany no ahiana ho namono ilay mpianatr’Andrainjato Fianarantsoa ny alin’ny misasakalin’ny Noely. Rehefa maty, mbola nalana ny lelany sy ny sofiny. Naiditra vonjimaika any am-ponja, ny 8 janoary teo ny sakaizan’ilay vehivavy maty nisy namono tao Alakamisy Itenina, Fiana­rantsoa. Olona efatra ahiana ho voasaringotra tamin’io ra­haraha io no […]

Kitra maneran-tany : nodimandry ny amperora Franz Beckenbauer

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany. Nindaosin’ny fahafatesana tany Allemagne, teo amin’ny faha-78 taonany, ilay kintan’ny kitra alemà, i Franz Becken­bauer, ny alatsinainy lasa teo. Ny aretina efa nitaiza azy hatry ny ela no nitarika izao fodiamandriny izao. Tsy tao Allemagne ihany ny nahafantarana azy fa saika nanerana izao tontolo […]

SOMBIM-BAOVAO

Miisa 17 ireo Malagasy voafantina mialoha ta­min’ny lalao fifantenana izay natao teny Nanisana, ny alahady 7 janoary lasa teo. Marihina fa hiatrika ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao olympika 2024, izay hatao any Paris, ny volana febroary any Dakar izy ireo. Samy nanaovana fifantenana avokoa ny sokajy lahy sy […]