Taratra

TSELATRA

Renim-pianakaviana iray maty an-drano tao amorondranomasin’i Foulpointe, omaly. Nilalao rano toy ny rehetra izy. Niharan-doza tampoka noho ny antony tsy fantatra mazava ka nitambotsitra ny ainy. Mpanatitra entana amin’ny bisikileta lasibatry ny fanendahana miharo fikasihan-tanana tao Mahitsy, omaly maraina. Nifanena tamin’ny roa lahy izy ka voasakana. Notifirin’ireo mpandroba totohondry sady […]

Vono olona tao Antsirabe: tra-tehaka ilay ramatoa atidoha nikotrika

Nokarohina hatry ny ela! Tratra afakomaly ny ramatoa iray mpamono olona. Namono vehivavy mpiasan’ny kaominina izy ka nandevina izany tao an-tokotaniny. Nataon’ny zandary hazalambo, voasambotra ilay renim-pianakaviana nahavanon-doza tamin’ny fa­monoana ilay mpiasan’ny kaominina tao Antsirabe, ny volana oktobra lasa teo. Nilaza ho manana tany amidy io vehivavy nahavanon-doza io sy […]

Taekwondo – “Lalao Olympika 2024” : hiady ny tapakila ny Malagasy mpikatroka

Hotanterahina any Dakar Sénegal, ny volana febroary ho avy izao, ny fifanintsanana amin’ny ady tapakila hiatrehana ny “lalao olympika JO”, Paris 2024, taranja Taekwon­do. Anisan’ireo mandray an­jara amin’izany ny Malaga­sy mpikatroka taekwondo eto an-toerana. Hisy ny lalao fifantenana “match test” amin’ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Centre de formation […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianjan’Arivonimamo, ny lalao famaranan’ny “Coupe de la ligue” ho an’ny faritr’Itasy, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray, ny ekipan’ny RCI Arivonimamo sy ny Jamaica JFC Analavory, hiady ny amboara amin’izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy Malagasy atleta efa tafita hiatrika ny fifaninanana […]