Niakatra ny vidin’ny sakafo iray lovia eny amin’ny toeram-pisakafoana eto Antananarivo, nanomboka ny 2 janoary lasa teo. Tsy maintsy nanondrotra ny vidin-tsakafo izahay satria nitombo avokoa ny vidin’ny hena sy ny vary ary ny legioma sy anana, hoy ireo mpivarotra. Misy ny nampihena ny fatran’ny sakafo atolotra ny mpanjifa fa […]
Taratra
Mahazengy- RN 7 : hametrahana tetezam-by ka ho tapaka
Manoloana ny mety ho mbola fiakaran’ny rano anatin’ny fotoam-pahavaratra, nanao fanambarana ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy maintsy hametraka tetezam-by vonjimaika (pont bailey) eo amin’ny PK 416+300 mandalo ny fokontany Mahazengy ny teknisianina. Ho fisorohana ny loza sy ho fiarovana ny mpampiasa lalana no anton’izany. Nanomboka omaly ny asa. Haharitra […]
Taorian’ny fandalovan’i Alvaro : folo ny olona maty, 25 837 ny tra-boina
Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty sy ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Dibo-drano avokoa ny voly rehetra ao amin’ny distrikan’i Morombe. Folo ny olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efatra any Beroroha, telo Manakara, iray Vohipeno, iray any Manja ary iray hafa any Ikongo. 25 […]
TARATRY ny KANTO
Fampiaraham-peo miavaka no hisantatra ny sehatry ny Piment Café Behoririka, anio alina. Hifampizara sehatra amin’izany i Bebey sy Benny ary i Nini. Tsy zovina amin’ny mpankafy azy ny seho sy ny mozikan’ireto mpahay kanto mpihira ireto. Vonona ny mpikarakara sy ny mpanakanto hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy azy […]
Musée de la Photographie: misy ny fampahafantarana ny « Ringa »
Nisokatra nanomboka omaly, teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « Lutteurs Bara ». Seho ranty ahitana sary pika miisa 15 izy ity. Mampiseho ny mpiangaly ny haiady fanao tany amin’ny foko Bara, tany amin’ny taona 1938 hatramin’ny 1965. Tohin’ny hetsika « Voyage en pays Bara et Vezo » ity atao ity […]




