Taratra

Tsingerin-taona faha-52 ny antoko MFM : “Aoka hohajaina ny safidin’ny olom-pirenena”

Nomarihina omaly, ny faha-52 taonan’ny antoko Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara (MFM). Namoaka fanambarana izy ireo ary nametraka fepetra maromaro. Nambaran’izy ireo, tamin’ izany, fa maika ny ha­metrahana amin’ny toerana mendrika sy tena sahaza ny fandresena ny fampahantram-piheverana. “Ilaina ny fanajana toy ny anakandriamaso ny safidin’ny olom-pirenena tsirairay ary ny […]

Fakana an-keriny : Takalonaina roa lahy avotra

Tafaverina soa aman-tsara anivon’ny fianakaviany ireo roa lahy nentin’ny mpaka an-keriny tao Andohambato, kaominina Manakana, ny 26 desambra teo. Nalain’ny olon-dratsy nataony takalonaina ny mpiasa tamina kariera tao an-toerana. Mitrandraka volamena ireo lasibatra ireo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo tsy valahara ka tsy sahy nanohitra ny andian-dehilahy voatafika. Naharay fampandrenesana ny zandarimaria. […]

Ambositra : Vola sandoka 16 tapitrisa Ar saron’ny zandary

Vola sandoka 16 tapitrisa Ar tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Ambositra, afakomaly. Ankizy nanao ankiafina no niditra tao amin’ny trano iray. Nisava­sava amin’ny maha zaza azy ireo, nahita harona plastika nisy vola sandoka tao aminy. Nanatona ny tomponandraikitry ny tanàna avy hatrany izy ireo. Nampiantso ny mpitandro […]

Trafikana sokatra : Depiote nalefa any Tsiafahy

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alakamisy alina teo, ny depiote iray sy ireo mpiara-miasa aminy, tompon’antoka tamina raharaha fanondranana sokatra antsokosoko. Tsy afa-bela! Nidoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alakamisy alina teo, ilay de­piote iray voafidy tao Soa­vinandriana Itasy sady inspecteur de police sy ireo mpiara-miasa […]