Hifarana anio, amin’ny 12 ora atoandro, ny fandraisana ny tolo-tanana (téléthon) hanangonana fanampiana ho an’ny olona manana fahasembanana traboina any Toamasina. Eny amin’ny foiben-toeran’ny Plateforme des fédérations des personnes handicapées de Madagascar (PFPH Mad) eny Behoririka no hanaterana izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny PFPH, Radafiniantsoa Josoa. […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Taorian’ny hetsika nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, hanolorana fanampiana ho an’ireo traboina any Toamasina, tonga nanatitra ny anjara birikiny sy ireo vokatra azo tamin’izany, teny amin’ny BNGRC, ny mpikambana avy ao amin’ny FMF, afakomaly. Tonga nanaraka azy ireo teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ireo ligy. Hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny CFFA […]
Sokajy zandriny : Hifantina mpilalao handrafitra ny Akio
Hotanterahina ny 3 hatramin’ny 10 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny fifaninanana nasionaly, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny, cadet sy juniors, lehilahy sy vehivavy. Hanana ny lanjany io fifanintsanana nasionaly io, satria, mandritra izany no hanaovan’ireo teknisianina anivon’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH) ny fifantenana ny ekipam-pirenena Akio, sokajy […]
Sekoly Rugby AJS : Handray anjara amin’ ny sehatra federaly
Anisan’ireo sekoly mamolavola tanora amin’ny taranja baolina lavalava, « Rugby », ny Association des jeunes sportifs (AJS) etsy Tsiadana. Amin’ity taona ity, manana fikasana ny handray anjara amin’ny fifanintsanana anivon’ny rafitra federaly, ao amin’ny seksionina Vakiniadiana ny sekoly, araka ny filazan’ny tomponandraikitra. Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 80 isa eo ny ankizy […]
Basikety – “ XXL Smatchin Ao Tsara” ; Homena 5 tapitrisa Ariary ny voalohany amin’ny lehilahy
Handray lalao goavana amin’ny taranja basikety, hifanintsanan’ireo mpianatry ny anjerimanontolo, ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity volana ity. Hahazo loka maro izay mendrika. Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 22 marsa, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana basikety ho an’ny Oniversite, “XXL Smatchin Ao tsara”. Miisa 44 ireo oniversite sy toeram-pampianarana handray […]




