Taratra

Ceni : “Diso ny hoe misy PV efa vita sonia”

“Tsy mitombina izany raha ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy mbola nisokatra hatramin’izao ny PV, fa mbola ao anatin’ny “palette” nametrahana azy”, hoy ny avy eo anivon’ny Ceni, miahy ny faritra atsimon’ny Nosy, Razafimamonjy Laza Rabary. Namaly bontana ny nambaran’ny mpanao politika fa misy fitantanana an-tsoratra (PV) voka-pifidianana efa vita sonia. […]

Namearison Robert : “Mitaky ny fijoroan’ny olompirenena ny toe-draharaha amin’izao”

Aiza ho aiza ny olompirenena amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Takina ny fijoroan’ny olompirenena, raha ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert. Fanehoan-kevitra… “Mitaky amin’ny olompirenena tsirairay fandinihana lalina ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Eo koa ny famakafakana lalina sy fijoroana ho tena olompirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe […]

TARATRY ny KANTO

Boky ho an’ny ankizy. Hivoaka amin’ity volana novambra ity ilay boky « Amboarana angano/Recueil de contes », 92 pejy. Boky mirakitra angano miisa 5 voasoratra amin’ny fiteny malagasy sy fiteny frantsay. Asa soratr’i Arikaomisa Randria, ravahin’i Max Razafindrainibe amina sary nataon-tanana. Manampy indrindra amin’ny fampiainana ny angano ireo sary ireo. « ADMC- CRAAM […]

« Anim’Ato Mada »: efa miatrika ny fiofanana ireo voafantina

Nisokatra nanomboka ny 30 oktobra 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny 15 desambra 2023, ao Antsanitia Maha­janga, ny « Anim’Ato Mada ». Ny fikambanana « Rencontres du Film Court de Madagas­car » no mikarakara ny hetsika. Fampiofanana izay natokana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika aty Afrika. Tan­jona ny haha matihanina ireo […]

Hiragasy Goavambe : hifanandrina Rainitelo sy Raveloson

Raikitra ! Hifanandrina etsy amin’ny Kianjan’ny kanto Ima­hamasina ny tarika roa lehibe eo amin’ny tontolon’ny hiragasy. Alahady 5 novambra izao, « Hiragasy Goavambe ». Samy haneho ny traikefa matanjaka ananany eo imason’ny mpijery ny tarika Rainitelo Andohavary sy Raveloson Arivonimamo. Ho an’ny mpitia hiragasy : « ady mangotraka tsy fahita firy ny tahaka izao. Aleo […]