Foto-dresaka amin’izao ny amin’ny sosialim-bahoaka. Nahoana? Eo ny fampanantenan’ny filoha hijery akaiky amin’izay ny fiainam-bahoaka. Mba tsy hisy hadino? Hiaraha-mahita eo… Mahabe resaka amin’izao ny hoe: hatraiza ny fisitrahan’ny vahoaka ifotony ny fampandrosoana? Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Tsy mampindrana fahefana azy fotsiny ny vahoaka, fa ny […]
Taratra
Minisiteran’ny Serasera : “Tokony hanaja ny etika hatrany ny mpanao gazety”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina MSK, tamin’ny zoma. Natao izany, manoloana ireo tranga fiahiahiana ny mpanao gazety ho miantso fiokonan’ny miaramila. Notsiahivin’ny minisitera tamin’izany fa iantohan’ny Lalàmpanorenana tokoa ny zo ho amin’ny fahafahana maneho hevitra sy ny zo ho amin’ny fanomezana vaovao. “Voafetra ihany anefa […]
Distrikan’i Morafenobe : dahalo saika hamaky valan’omby voasambotra
Vala nisy omby amidy 500 nokasain’ny dahalo roa lahy horobaina tao Androvakely, distrikan’i Morafenobe, afakomaly. Nitondra ody ratsy sy moara maromaro ireo dahalo ireo. Niandry ho maizina, nitsaitsaika hamoaka ireo omby an-jatony tao anaty vala izy roa lahy ireo tokony ho tamin’ny 8 ora. Tsikaritry ny fokonolona ireo olon-dratsy ka […]
TSELATRA
Teratany vahiny iray mpizahatany norobaina vehivavy roa tao Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Namana akaiky io vazaha io ihany ny iray tamin’ireo vehivavy nandroba azy. Lasa ny vola 400 euros sy finday roa, niampy vola malagasy 400 000 Ar. Nosamborina ireo roa vavy nanao ny halatra ka notanana hatao famotorana. […]
Nirefodrefotra ny basy tao Toamasina: Rotiky ny balan’ny polisin’ny Fip i Mosa sy i Sambo
Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano ao Toamasina, omaly. Ankoatra ireo azo sambo-belona, jiolahy enina hafa karohina. Nihorohoro ny mponina tao amin’ny fokontany Tanamborozano Parisela 22/31, carreau faha-7 manamorona ny lakandranon’i Pangalana, omaly vao maraina. Tokantrano maromaro no nahazo fandrahonana nataona andian-jiolahy. Tonga […]




