Nifampidinika momba ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy tetsy Ampefiloha ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), omaly. Noresahina tamin’izany ilay tolo-dalàna fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy. “Mety hisy ny hanjo azy ireo. […]
Taratra
Depiote Keron Idealson : “Tsy mahatontosa andraikitra ny Antenimierampirenena”
Nitondra ny heviny manoloana ny tsikera amin’ny fahavitsian’ireo namany tonga miatrika fivoriana ny depiote i Keron Idealson. Eo koa ny fijeriny ny momba ireo fanambaran’ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sasany. “Anjara asan’ny Antenimierampirenena ny manara-maso ny asan’ny governemanta. Olona 151 manara-maso, tsy mitovy amin’ny olona folo manara-maso. Izany no endrika sakana […]
INDRAIMBAVA: Iray ihany
Aretina iray, mikiky ny fiarahamonina malagasy, ankehitriny, ny fifanavakavahana amin’ny endriny rehetra. Mbola maro ny olona mivoy fiaviana sy firazanana ary saranga. Toe-javatra mampalahelo, satria zary vato misakana ny fampandrosoana amin’ny lafiny maro. Anisan’ny lohahevitra iray horesahintsika anio ny mikasika ireo sokajin’olom-bitsy sy marefo. Amin’izao taonjato faha-XXI izao, mbola misy […]
Ampatorana – Fandriana: nangalarin’ny jiolahy ny varavaran-tsekoly vao namboarina
Nisy nangalatra, afakomaly alina (tsy voafaritra mazava ny ora), ny varavaramby an’ny sekoly ao Ampatorana fokontany Ambohitraivo, kaominina Fandriana. Nahazo filazana tamin’ny ben’ny Tanànan’i Fandriana ny tobim-paritra fa nisy ny varavaran’ny sekoly ao amin’ity fokontany ity. Nomarihin’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa io sekoly io dia tohanan’ny mpamatsy vola Foundation […]
Manakara: mpivarotra rongony saron’ny zandary
Hisorohana ny tsy fandriampahelamana ao amin’ny tanànan’i Manakara, voasambotry ny polisy ny mpivarotra rongony tao Mahavelo, fokontany Manotro, kaominina Namorona, omaly. Nampitaraina ny mponina manodidina, nanao fitsirihana tampoka ny zandary. Tra-tehaka tao amin’ny trano fonenany ity mpitsinjara rongony amin’ny tanora ao an-toerana ity. Rehefa natao ny fisavana, nahitana fonosana rongony […]