Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ireo jiolahy roa nahatrarana vola sandoka mitentina 1 080 000Ar tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Milanoa, distrikan’i Vohémar, ny 29 novambra 2023 teo. Mampitaraina ny mponina ny fisian’ireo vola sandoka miparitaka ao amin’ ity kaominina ity ka antony nahatonga ny zandary nanao hetsika manokana hamongorana sy hikarohana ireo […]
Taratra
Mavogisa : dahalo iray maty voatifitry ny zandary
Dahalo iray rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao Mavogisa, fokontany Filanjaza, kaominina Ankilizato, omaly maraina. Nanao fanarahan-dia omby halatra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankilizato, rehefa nahazo antso momba ny fisiana dahalo manao fanafihana ao amin’io fokontany io. Dahalo am-polony nirongo basy sy lefona no tompon’antoka tamin’izao […]
Karana vavy voatifitra, very vola iray sakaosy
Lasibatry ny asan-jiolahy tetsy Namontana ny karana mpivady, omaly maraina. Voatifitra teo amin’ny lohany ramatoa. Lasan’ny efa-dahy nitondra basy ny sakaosy nisy vola. Voatifitra teo amin’ny faritry ny lohany, tsy nahatsiaro tena ilay karana vavy norobain’ny jiolahy efa-dahy teny amin’ny fokontany Namontana, Boriborintany fahefatra, omaly maraina. Nanao taingin-droa niaraka tamin’ny […]
Fampandrosoana : manomboka ny fizarana « titre vert »
Dingana goavana amin’ny fampandrosoana ny seha-pamokarana sy hanatrana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny fampananan’asa ho an’ny tanora ny tetikasa “titre vert”. Tanora mpamboly 100 mianadahy nisitraka velarantany 200 ha tao amin’ny fokontany Tsimanariloka, kaominina Itremo, distrikan’Ambatofinandrahana, ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Lehilahy ny 67% an’ireo tanora nahazo izany raha toa […]
VAOVAO tambatrra
Miisa 73 ireo nahazo fahazoan-dalana hanondrana jirofo ho amin’ny taom-panondranana 2023-2024. Marihina fa tafakatra 40 000t ny vokatra naondran’i Madagasikara raha 25 000t talohan’izay. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ity vokatra ity. Zana-trondro tilapia 5 381 no narotsaka ao amin’ny reniranon’Ihosy, mandalo ao amin’ny fokontany Mahiafia, kaomina Ambanivohitra […]




