Taratra

Nangalatra “vedette rapide” : Dimy voasambotra, roa karohina

Vehivavy iray, lehilahy efatra mpangalatra “vedette rapide” na lakana haingam-pandeha misy motera niara-voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anjagnozano, kaominina Bemaneviky Andrefana, distrikan’Ambanja, afakomaly. Matetika itrangana halatra ataon’ny olon-dratsy ireo lakana misy motera fampiasan’ny mponina ao an-toerana. Sambo iray very tao Antanandavo, Nosy Be. Nanao hetsika manokana hanatrarana ireo olon-dratsy mangalatra […]

Hopitaly CHU Toamasina : Norobain’ny jiolahy ny toeram-pandoavam-bola

Jiolahy roa lahy nitondra antsibe, niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pandraisam-bola eo anivon’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. 60 tapitrisa Ar voaroba, loharanom-baovao hafa nilaza fa tsy nahazo na inona na inona ny mpandroba. Nidirana jiolahy roa lahy mitondra antsibe ny ivontoerana fandoavam-bola, CHU Analanki­nini­na Hopitaly Be Toamasina, omaly tolakandro. Nivimbina sakaosy […]

Jôkôsô-Festival du Rire: Hiditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika

Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 28 septambra 2025, hitohy ny 3 hatramin’ny 5 oktobra 2025 ny “Jôkôsô-Festival du Rire”. Miditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika amin’io taona ho avy io. Hampivondronana iray ny Malagasy mpanao hatsikana eto Madagasikara ity hatao ity. Anisan’ny hita nandray anjara tamin’ny andiany efatra teo aloha ireo […]

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny Chez Poony Mandrimena ny tarika Jeneraly, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Hahazo ny anjarany indray, araka izany, iny Atsimondrano iny. Efa maro ny seho nataon’ny tarika Jeneraly ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Seho nahafantarana ny tarika no hita mandritra ity fampisehoana ity. Haranty eny amin’ny Musée […]

« IOMMa 2025 » : Misokatra ny fisoratana anarana

Lalana misokatra ho an’ireo mpanakanto. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny “Indian Ocean Music Market” na ny “IOMMa 2025”, izay andiany faha-11 amin’ity. Hiantsoana ireo mpanakanto aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay manam-pikasana ny hikatsaka ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny mozika ny fifaninanana. Efa maro ireo mpanakanto malagasy no […]