Taratra

Fanehoana firaisankina : Notolorana vatsy ny ankizy tsy salama eny amin’ny hopitaly

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny fahaleovantena, nitsidika sy nankahery ary nitondra vatsy ho an’ireo ankizy tsy salama manaraka fitsaboana eny amin’ireo hopitalim-panjakana le­hibe eto Antananarivo ny so­lontenan’ny fitondram-panjakana. Notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël izany, tamin’ity herinandro ity. Fitsidi­hana izay maneho indray ny fiaraha-mientan’ny fitondram-panjakana […]

Fanadinam-panjakana: Helohin’ny lalàna ny fiangarana manokana

Manantitrantitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ny didim-pitondrana laharana faha-19437/2026. Momba ny fisorohana sy fanasaziana ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna mandritra ireo fanadinana sy fifaninanana ara-panjakana miankina amin’ny Men izy io. Meloka amin’ny fandikan-dalàna lehibe ny mpiasa rehetra tafiditra amin’ny fikarakarana fanadinana raha toa ka manome lanja manokana, manavakavaka na fitsinjovana […]

Fomba fitsarana ny ankizy; Mihena ny fanagadrana ary hampiharina ny fepetra hafa

Nanamafy ny fomba hitsarana ny ankizy, amin’ny alalan’ny fananganana ny drafitrasa 2026-2027, hampiroborobo ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona i Madagasikara. Ahitana tanjona valo ny drafitrasa, hiantohana ny fisian’ny fitsarana mifanaraka sy miaro ny ankizy. Hanatsarana ny fahombiazana sy ny hafainganam-pandehan’ny raharaham-pitsarana, hampiroboroboana ny rafitra fanagadrana manaja ny zon’olombelona. Eo […]

Malagasy Guitar Masters: Hizara traikefa sy hanao fampisehoana

I Teta, Chrysanto ary Rija Randrianivosoa. Ireo izy telo mirahalahy mandrafitra ny Malagasy Guitare Masters amin’izao fotoana. Tsy tafaraka matetika noho ny asa aman-draharaha sy ny tany honenana mifanipaka, saingy tsy avelan’ny mozika hisaraka ela. Herinandro vitsivitsy izay no mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianavosoa. Tafa­haona tamin’i Chrysanto izy. Niantso avy […]