Taratra

Ifi : “Aza korontanina ny vahoaka”

“Raha voafidy ianao, arahaba soa: raiso ny fitondrana. Tsy voafidy ianao, mipetraka tsara ary miandry ny dimy taona manaraka, fa aza korontanina ny vahoaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, manoloana ny fisian’ny fidirana antsokosoko tamin’ny site web-n’ny […]

Voka-pifidianana Toamasina : Nahazo ny 46,44% ny Irmar, i Zoky Alain

Navoakan’ny eo anivon’ny rantsan’ny Ceni, ny alatsinainy 23 desambra teo, tetsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny CRJS ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny faritanin’ i Toamasina tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, natao ny 11 desambra teo. Ho an’ i Toamasina renivohitra manokana, miisa 55 886 ireo mpifidy voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, […]

Fankalazana ny Noely: Samy niantso fahamarinana ny hafatry ny fiangonana

Nampita hafatra Noely tahaka ny mahazatra ny eo anivon’ny fiangonana amin’izao fetin’ny Krismasy izao. Samy niantso ny handala ny fahamarinana sy ny fihavanana avokoa izy ireo. Navoitran’ny filohan’ny FFKM, ny Rev. Rako­tozady Denis, tamin’ny hafatra nampitainy ny hananana ny fanahin’ny fampihavanana. “Karakarao izany ary aoka hijoro amin’ny fahamarinana isika ao […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanana tanjaka 500MW ilay tobim-pamoka­rana herinaratra lehibe azo avy amin’ny herin’ny masoandro hapetraka eny Tsarasaotra. Hanampy amin’ ny famokarana herinaratra efa misy ao amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) izy. Hovitaina mialoha ny aogositra 2025 ny fotodrafitra lehibe ka nijery ny toerana hametrahana izany ireo tomponandraikitra. Hamboarina ny lalana fandehanan’ny fiara­manidina ao […]

Fampandrosoana: Maro ny indostria mitsangana ao Diana

Antoka lehibe hampandrosoana an’i Madagasikara ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanovana ara-toekarena. Nitsidika ny orinasa Star, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra (JIR) andiany faha-10 tany Antsiranana, ny herinandro teo, ny minisitry ny Fampiro­bo­roboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David, sy ny minisitry ny […]