Herintaona izao ny nisian’ny banky Bred Madagasikara eto amintsika. Dingana vaovao no nataony satria notokanana, omaly, ny Tranoben’ny mpandraharaha (Maison des entrepreneurs), nantsoina hoe Tranoben’ny PME teo aloha. Vovonana iray entina hanohanana ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny orinasa tsy ankanavaka, indrindra ireo madinika sy salantsalany (PME, TPME) izy io. […]
Taratra
Andavanandron-dRamalagasy ; Mahantra ny 4/5 ny mponina any ambanivohitra
Miaina anaty fahantrana ny 4 amin’ny 5 ny mponina any ambanivohitra. Nihamafy izany tao anatin’ny 10 taona farany na dia manana otri-kery ara-pambolena goavana aza i Madagasikara. Mafy ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny mponina any ambanivohitra teo anelanelan’ny taona 2013-2022, araka ny tatitry ny fanadihadiana miisa roa navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho lehiben’ny faritra vonjimaika ao Fitovinany Razafitsiandraofa Jean Brunelle. Anisan’ny tapaky ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, izany. Efa depiote teo aloha voafidy tany Ikongo ny tenany. Efa minisitry ny Fizahantany koa ny taona 2018. Efa kandidà tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny taona 2023. Notsipahin’ny HCC ny fangatahan’ny filoha […]
Eveka tao Vatikana ; Maniry ny hitsidihan’ny papa eto amintsika
Any Vatikana, efa andro maromaro izao, ny biraon’ny Fivondronamben’ny evekan’i Madagasikara (Fem). Mitarika azy ireo ny filohany, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Noraisin’ny papa Leon XIV tao amin’ny biraony izy ireo ka anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fanirian’ireo eveka ny hahatongavan’ny papa Ray Masina eto Madagasikara. « Nasaina izy hitsidika antsika. Mbola ho […]
Mizotra tsimoramora
Niaraha-nahita fa efa tafapetraka any amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny tondrozotra ho enti-mitondra ny Tetezamita, misahana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Mazava ny resaka fa amin’ny herintaona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Nokendrena hifanitsy amin’ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny fitondrana teo aloha ihany. Hahazo filoha lanim-bahoaka amin’ny fifidianana ny Malagasy. Araka izany, […]




