Hisorohana ny tsy fandriampahelamana ao amin’ny tanànan’i Manakara, voasambotry ny polisy ny mpivarotra rongony tao Mahavelo, fokontany Manotro, kaominina Namorona, omaly. Nampitaraina ny mponina manodidina, nanao fitsirihana tampoka ny zandary. Tra-tehaka tao amin’ny trano fonenany ity mpitsinjara rongony amin’ny tanora ao an-toerana ity. Rehefa natao ny fisavana, nahitana fonosana rongony […]
Taratra
Famonoana an’i Tsoa: lehilahy iray nidoboka eny Tsiafahy, efatra etsy Antanimora
Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny iray raha eny Antanimora ny efatra amin’ireo tompon’antoka tamin’ilay raharaha famonoana an’i Tsoa… Taorian’ny raharaham-pitsarana natao tamin’ireo olona dimy voasaringotra tamin’ny famonoana an’ilay mpanakanto sady mpandraharaha Rabemanantsoa Andriatiana na Tsoa, naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo, afakomaly. Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavita nandatsa-dra ity […]
Nandroba 200 000 Ar: jiolahy valo nidoboka am-ponja
Naiditra am-ponja taorian’ny fanafihana tokantrano tao Ambalabe, fokontany Andriambe , kaominina Antanamalaza distrikan’Ambatolampy ny jiolahy valo, ny 16 novambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tompon-trano, lasan’ireo olon-dratsy ny vola nitentina 200 000 Ar sy ny bisikileta iray. Raikitra ny fikarohana nataon’ny zandary taorian’ny fitarainan’ny lasibatra. Tra-tehaka tamin’izany ny roa lahy nitondra […]
Ampandrana: jiolahy tratra nitondra gony feno kilalao sy kojakojan-dakozia
Jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) no tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, omaly, tamin’ny 2 ora latsaka teny Ampandrana noho ny raharaha vaky trano. Polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahatsikaritra olona telo nivimbina gony sady mampiahiahy ny fihetsik’izy ireo. Nikasa hitsoaka avy hatrany izy […]
Tokony hamita sazy eny am-ponja: jiolahy tratra nandroba mpanao taxi-phone
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina tao amin’ny fokontany Amboavahy/Ambohimanarina ny jiolahy iray, afakomaly maraina izay voarohirohy amina halatra. Nomarihin’ny polisy fa tokony hamita sazy any am-ponja ity jiolahy voasambotra ity kanjo izao tratra nanao asa ratsy izao. Manatanteraka asa ivelan’ny fonja (MOP: Main d’oeuvre […]