Eto Madagasikara, any amin’ny faritra Sava, no manafatra lavanila ampiasaina amin’ny fanodinany sakafo ny orinasa iraisam-pirenena lehibe iray. Enin-taona no niara-niasa taminy ny orinasa “People power inclusion”, manana sampana aty amin’ny ranomasina Indianina ka i Marie Christina Kolo no talem-paritra. Mitaky fepetra maro ny fandraisana vokatra hafarana avy any ivelany […]
Taratra
Taom-pambolena 2023-2024: nozaraina masomboly voafantina ny tantsaha
Antoka ho fampiroboroboana ny famokarana maharitra sy lovain-jafy ary dingana hanatrarana ny fanamby lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanohanana ny tantsaha. Nomena zezika sy ambioka tsara kalitao sy voafantina ny tantsaha ao amin’ny kaominina Merimandroso, distrika Ambohidratrimo, omaly. Noentanina koa izy ireo hampiasa fitaovana mekanika moderina sy manaraka ny teknolojia, haingam-piasa […]
Fandraharahana letisia: tsy miova ny hetra aloa eny amin’ ny “guichet unique”
Voafaritra avokoa ireo hetra aloa amin’ny fikirakirana ny atontan-taratasy amin’ny fandraharahana ny letisia ao amin’ny faritra Atsinanana. Tsy niova ny hetra aloa eny amin’ny “guichet unique”. Mandoa hetra tambatra, 130 000Ar ireo fiara latsaky ny 1t hitantitra ny vokatra. Manodidina ny 160 000Ar izany ho an’ireo fiara manomboka ny 1, […]
Madagasikara-Frantsa: fatiantoka ny fiara-miasa ny taona 2022
Firenena mpiara-miasa akaiky an’i Madagasikara i Frantsa. Nahitana fatiantoka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta tato anatin’ny fotoana fohy, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola frantsay. Firenena faha-77 mpanjifa ny vokatra frantsay i Madagasikara ary faha-70 mpamatsy an’i Frantsa, hoy ny loharanom-baovao iray. Mpanjifa faharoa ny vokatra malagasy kosa […]
Fihariana: mahavelona ny fiompiana tantely
Mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny fihariana tantely noho izy mamokatra mandavan-taona. Mampidi-bola ny asa saingy mitaky fepetra manokana. Fihariana madinika anisan’ny mamelona fianakaviana maro ny fiompiana tantely. Mampidi-bola izy ary mamokatra mandavan-taona. “Ahazoana tantely hatrany amin’ny 20 l isan-taona ny tohotra tantely iray”, hoy ny fanazavan’i Tina, mpiompy tantely iray […]




