Hetsika goavana iraisam-pirenena ny lalao fiadiana hon tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra Mondial, toy ny hatao any Qatar, manomboka amin’ny 20 novambra hatramin’ny 18 desambra ho avy izao. Miteraka harena ara- toekarena mivantana sy ankolaka amin’ny lafiny fihariana eto Madagasikara izany. Toy ny hetsika manokana, “Katara , Village du fooball”, […]
Taratra
Famonoana an’i Henri R.: misy ny tsindry miaro ny voampanga
Hatao, anio 18 novambra 2022, eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Ambatolampy, sampana heloha bevava, ny raharaham-pitsarana namonoana an-dRatompokolahy Rakotoarisoa Henri. Izy dia filohan’ny Vondrona olona ifotony (VOI) Mialo, fikambanana miaro ny tontolo iainana, any Ankazondandy Beparasy, kaominina Mangarivotra, distrika Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana […]
Usaid Hay Tao: jerena ny rariny ara-tontolo iainana
Natao, omaly, ny atrikasa handravonana ny hampiharana ny hisian’ny rariny sy ny hitsiny amin’ny lafiny tontolo iainana (Justice environnementale) eto amintsika. Nambaran-dRandrianirina Fanoezantsoa, talen’ny sampana miady amin’ny kolikoly ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy (M edd), fa tanjona ny hametrahana ny sehatra rehetra handray anjara amin’ny fiarovana […]
Hetran-trano: misy birao mandray ny fitarainana eraky ny boriborintany
Misy birao manokana mandray ny fitarainana mikasika ny hetran-trano eny amin’ny boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra (CUA). Nilaza i Raharison Jaona, tompon’andraikitry ny vola ao amin’ny CUA, fa “anarivony ny fitarainana voaray ary efa novalian’ny Ben’ny Tanàna tsirairay avokoa. Andoavana hetra daholo ireo trano rehetra miorina eto Antananarivo araka ny […]
Fandaharanasa Fihariana: miisa 187.000 ny asa niforona
Anisan’ny vahaolana amin’ny tsy fisian’ny asa ny fandaharanasa Fihariana, napetraky ny fanjakana, nanomboka ny taona 2019. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ireo mpandraharaha madinika nisitraka azy, ary voalohany amin’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Natsangan’ny filoha Rajoelina, ny taona 2019, entina hanohanana ara-bola sy ara-teknika ny […]