Manomboka miverina amin’ny laoniny ny tsena eny Analakely sy ny manodidina taorian’ny toe-draharaha politika teto an-toerana. Miverina manokatra ny varavaran’ny tsenany ireo mpivarotra. Niantraika betsaka tamin’ny fihariana ny toe-draharaha toa ireny, misy tokoa ireo mpanararaotra ny hetsika ka mandroba sy mandrava tsena. Hatao ny 27 novambra izao ny fiofanana ho […]
Taratra
Toekarena: nifanohana ny mpandraharaha
Nifarana ny sabotsy teo ny fihaonambe nasionalin’ny mpandraharaha (forum des entrepreneurs), andiany faha-5, nokarakarain’ny fikambanana Club des Entrepreneurs eo anivon’ny Madagascar Entreprises Développement Aina. Hetsika nahafahan’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany mifampizara traikefa, mifanakalo hevitra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana izay miantraika betsaka amin’ny toekarena sy ny fandraharahana. Nisy ny varotra sy […]
Letisia : hanondrana 18 000t i Madagasikara amin’ity taona ity
Toy ny tamin’ny taon-dasa, nanodidina ny 18 000t ny vokatra letisia naondran’i Madagasikara tany ivelany. Hanomboka ny talata izao ny taom-piotazana. Tapaka taorian’ny fivorian’ ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny letisia fa manodidina ny 17 500-18 000t ny vokatra letisia aondrantsika any ivelany amin’ity taona ity. “Quota” mitovy tamin’ny taon-dasa. “Handray […]
Antoko MMM : “Haverina ny tany tan-dalàna”
« Mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina tany tan-dalàna i Madagasikara », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo, teny Ankerana, raha namory ireo mpikambana. Nanteriny fa tombontsoa iombonana no tadiavina rehefa manao politika. Tsy manao fitaovana ny hafa fa hiady ho an’ny vahoaka. […]
Fiara nitondra razana tra-doza: niara-maty ny vadiny sy ny rahalahiny
Maty tsy tra-drano ny vadin’ilay lehilahy ho alevina sy ny rahalahiny vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7, teo amin’ny kaominina Andiolava, distrikan’Ihosy, omaly maraina. « Niala alina tao Ilakaka io fiara io ary nikasa hihazo an’Androy hitondra ilay razana », hoy ny fanazavan’ny kapiteny, kaomandin’ ny kaompania Ihosy. Naharay antso tampoka izy […]




