Taratra

Bekily: kaominina 55 amin’ny 58, manana toeram-pivoahana ny mponina

Ny 32%-n’ny Malagasy no manana trano fivoahana na kabone, ankehitriny. Nankalazaina tany amin’ny distrika Bekily, faritra Androy, ny 19 novambra teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny trano fivoahana na kabone (JMT). Lohahevitra noraisina ny hoe : « Fanadiovana tsara tantana, madio sy maharitra ». Vina ao anatin’ny tetikasa “Madagasikara madio 2025” ny hananan’ny 90%-n’ny […]

Tambajotra RIA Jirama: nipoahan’ny varatra ny toby Anosizato

Nilatsahan’ny varatra ny toby « sous-station » Tana Sud Anosizato, ao anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), ny alakamisy 17 novambra teo. Efa vita ny 90%-n’ny fameranana ny jiro, hatramin’ny omaly. Tapaka nanomboka ny alakamisy hatramin’ny omaly alahady tamin’ny 6 ora sy sasany ny jiro, teny Ambatomirahavavy hatrany Soavinandriana Itasy, vokatry ny fahasimban’ny fitaovana […]

Seces sampana Antananarivo: mangataka ny handoavan’ny fanjakana ireo fitakiana

Ahafahana miroso amin’ny taom-pianarana 2022-2023, mangataka amin’ny fanjakana ny fandovana ny karaman’ny mpampianatra mpikaroka antselika sy ny ora fanampiny ho an’ny enim-bolana mbola trosa ho an’ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny fanambaran’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, taorian’ny fivoriana ny zoma lasa teo. Tokony hefain’ny mpitondra koa ny tambin-karama momba ny fikarohana […]

Unicef: nankalazana ny andro ho an’ny zon’ny  ankizy

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy ny Fikambanambe iraisam-pirenena miahy ny kilonga na Unicef, teny Andohalo, omaly. Hetsika natao ho fampitan- kafatra hiadivana ny fitovian-jo sy ny fialana amin’ny fanavakavahana misy amin’ireo ankizy eto Madagasikara. Araka ny fanadihadiana nataon’ny MICS, ny  taona 2018, ny efatra isan-jaton’ny ankizy misy […]

Mahazo vahana ny Covid-19: niakatra 264 ny isan’ny tranga amin’ny faritra sivy

264 ny olona marary mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ka ny telo amin’ireo anatin’ny tranga misy fahasarotana, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 872 ny fitiliana natao ny 12 ka hatramin’ny 18 novambra ka195 ny tranga vaovao voamarina. 22 tamin’ireo olona nifampikasoka mivantana tamin’ny marary. Sivy ny faritra ahitana ny […]