Ny Malagasy irery ihany no manana ireto fahendrena ireto : « Ny fanahy no maha olona », « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha », « Ny hery tsy mahaleo ny fanahy ». Kanefa, ny Malagasy tompony indray no tsy mahalala na tsy miaina azy ireny. […]
Taratra
Handalo an-tanindrazana… : hihaona indray amin’ny mpankafy i Hanitra Ranaivo
Ho avy, ary hiaka-tsehatra eto Antananarivo i Hanitra Ranaivo. Ny fandalovany farany teo mantsy, tsy nahatontosa fampisehoana azy manokana izy. Hafaliana ho an’ny mpankafy ! Fantatra fa handalo indray eto an-tanindrazana i Hanitra Ranaivo, ary ny seho hontonsainy ny alin’ny zoma izao, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Vaovao mahafaly manaraka […]
Fiarovana ny tontolo iainana : nomena endrika vaovao ny akanjo sy lamba tonta
Maro ireo akanjo mipetra-potsiny any anivon’ny tokantrano any. Maro koa ny simba na tsy ilaina intsony ka noezahin’ny mpamorona nomena endrika vaovao indray. Manan-talenta amin’ny lafiny rehetra ny tanora malagasy eto an-toerana, anisan’izany, ny famokarana sy fanjairana lamaody. “Tsapa ihany koa fa sehatra iray manimba ny tontolo iainana be indrindra […]
FANTINA sy FINTINA
Vonona hanolo-kevitra sy hamaha ny olan’ny fifidianana ireo administratera sivily (Synad), araka ny nambaran’izy ireo tetsy Anosy, omaly. Niantso ny hitadiavana fitoniana ary vonona hanao ny asany tsy mitanila izy ireo. “Tsy tokony hafangaro ny propagandy sy ny fanehoan-kevitra politika ary ny fihetsiketsehana”, hoy izy ireo. Mitaky ny hirosoana amin’ny […]
Hetsikin’ny kandidà 11: nirava maina toy ny mahazatra ny diabe
Notanterahina omaly, nanomboka teny Andranomena hatrany Mandrosoa Ivato, ny diaben’ireo kandidà 11. Toy ny mahazatra, samy nirava maina ny rehetra teny an-toerana. Andaniny, ny mpitarika nandao ny mpanara-dia fa hamonjy fivoriana. Ankilany, ny mpanara-dia niverina nanohy ny asa andavanandrony. Tsy miova ny vontoatin’ny fitakiana: ny tsy hirotsahan’ny filoha teo aloha, […]




