Nanokatra varavarana ho an’ireo tanora malagasy ny Fondation Friedrich- Ebert- Stiftung (FES) eto Madagasikara sy ny YLTP (Youth Leadership Training Program). Hetsika natao tetsy amin’ny Cercle des cheminots Soarano, omaly, nanomboka tamin’ny 8 ora sasany maraina hatramin’ny 05 ora hariva. Nahafahan’ireo tanora marobe nampiseho ny fahaizany mitarika sy nifandray tamin’ireo […]
Taratra
FIZATO: nampihaona ny mpanao politika
Ambohi-pihaonan’ny mpanao politika zanaky ny faritanin’i Toamasina, ahitana ny faritra telo, Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo ny teny Ivato, ny alahady teo. Fivoriambe notarihin’ny mpitarika ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’ i Toamasina (Fizato). Naneho ny maharary azy ireo solontenan’ny mpiasa miisa 106 eo anivon’ny oniversiten’ i Barikadimy. “Efa ho 20 […]
Tatitry ny Bianco – DT Antananarivo: fanararaotam-pahefana ny fandikan-dalàna be indrindra
Nanao tatitra ny zava-bitany taona 2021 ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ho an’ny fitaleavam-paritra Antananarivo, omaly, teny Ambohibao. Nisongadina ny nanatanterahana ny fanitsiana ara-drafitra sy ireo tranga samihafa tsy fanarahan-dalàna. Fanabeazana, fisorohana ary fanatanterahana ny lalàna no singa fototra entina miady amin’ny kolikoly. Tetikady napetraky ny fitondram-panjakana, tamin’ny […]
« Festival de rire »: nisokatra omaly ny « festival de rire Jôkôsô » andiany faharoa
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Festival de rire Jokoso » andiany faharoa. Teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) Antsahavola no nanatanterahana izany, ny alakamisy 17 novambra 2022. Mpanao hatsikana sy mpankafy maro no tonga nanokatra izany tamin’ny alalan’ny lahateny fanokafana sy seho an-tsehatra. Tanjona lehiben’ny hetsika ny fampiraisana ny mpanao hatsikana […]
30 taona an-tsehatra: hofaranan’ny Mage 4 amin’ny seho lehibe
Mbola nisy tsy teraka ireo mpikambana ao amin’ny Mage 4 amin’izao fotoana, tamin’ny nanombohan’ny tarika… Nanamarika ny faha 30 taonany ny Mage 4 tamin’ity taona ity, ka tany Toliara no nisafidian’izy ireo nanombohana izany. Rehefa avy nandalo faritra vitsivitsy, hofaranana amin’ny seho goavana, izay hatao ny alahady 20 novembra izao, […]