Taratra

Harem-pirenena : olona roa mpanondrana sokatra voasambotra

Mirongatra indray ny trafikan-tsokatra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Efa tambajotra ireto voasambotra ireto. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpanondrana sokatra roa mianadahy tao Betaratse, kaominina Fotadrevo, 60 km miala an’i Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny alarobia 25 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria fa misy olona mitatitra sokatra avy any Atsimo. […]

Ravololomanana Lalatiana : « Tsy kianja fifandonana Antananarivo Renivohitra »

Sorona hatrany ny tanànan’Antananarivo Renivohitra rehefa misy hetsika politika. Tsy manaiky ny tanànan’Antananarivo ho kianja fanaovana izany intsony ny tomponandraikitra, araka ny nambaran-dRavololomanana Lalatiana. Naneho ny heviny mom­ba ny hetsiky ny kandidà 11 Ravololomanana Lalatiana, mpanolotsaina mo­nisipaly sady mpanao politika. Tao anatin’izany no nilazany fa tsy kianja fifandonana ny tanànan’Antananarivo, […]

Sendikà SMKAR : “Efa mamaha olana izahay”

Nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (SMKAR), Raharijaona Jean François, fa anisan’ireo voaantso hitokona hampikatso ny asa izy ireo. Mpikambana feno eo anivon’ny Valaben’ny sendikà SSM izy ireo. Notsindriny anefa fa anatin’ny “Collectivité territoraile décentralisée – CTD” ka manana ny sata manokana mifehy azy noho izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka ny fanarenana ny tsena maitso etsy Behoririrka, taorian’ilay fahavoazana niseho ny zoma teo. Hanamora ny fikirakirana ny atontan-taratasin’ireo mpivarotra ihany koa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana hanampiana azy ireo. Tsiahivina fa amina tapitrisa maro no kilan’ny afo tamin’ity voina niseho ity. Mahatratra 20 […]

avy amin’ny tohodrano : An’arivony « mégawatts » ny herinaratra azo

Ankalazaina isaky ny 22 oktobra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (JME). Ho an’i Madagasikara, tany Nosy Be Hell Ville no nanatanterahina azy, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, ny 20 oktobra teo. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe, « Angovo madio sy maharitra ho an’ny rehetra ». Mifandray […]