Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Voatendry ho governora hisahana ny faritra Analamanga, mpisolo toerana, Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia. Efa nisahana ny andraikitra maha sekretera jeneralin’ity faritra ity ny governora misolo toerana, nanomboka ny 11 avrily 2022. Tsy vahiny amin’izany asa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra […]
Taratra
Fanahimanana Tiaray: “Manohitra ny demokrasia ny tsy fanaovan’ny kandidà fifidianana”
Ahoana ny amin’ny tsy fanaovan’ny kandidà sasany fampielezan-kevitra sy fifidianana amin’ izao? Manohitra ny demokrasia izay, raha ny fijerin’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray. Fanehoan-kevitra… “Tena manohitra ny demokrasia ny fanaovana ankilabao na tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Mieritreritra ny olona fa safidy ny fanaovana izany, nefa lasa voafafa ao […]
TARATRY ny KANTO
« POLA 2024 ». Anisan’ireo asa soratra hifaninana ao anatin’ny « Prix Orange du livre Africain 2024, (POLA) » ny « Za koa » an’i Hary Rabary, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Fondation Orange. Raha tsiahivina, Malagasy mpanoratra, Michèle Rakotoson no nandrombaka ny amboara, tamin’ny andiany farany, tamin’ity fifaninanana ity. Fanentanana vaky boky. Teny Amboditsiry, boriborintany […]
« Madagascourt Film Festival, andiany faha-18 » : Malagasy 8 mpanatontosa no mandray anjara
Tanterahina eto Antananarivo sy any Mahajanga, ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, ny «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha-18, hetsika lehibe eo amin’ny sarimihetsika, indrindra ny sarimihetsika malagasy. Malagasy mpanatontosa miisa 8 no hita hifaninana ao anatin’ny 39 mpandray anjara, ary ahitana azy ireo avokoa ny sokajim-pifaninanana rehetra, ankoatra ny […]
Soratra : sady mpanoratra no mpamoaka boky
Manoratra ny mpanoratra. Mamoaka boky ny mpamoaka boky. Lamina ankapobeny mialohan’ny hahatongavan’ny boky eny am-pelatanan’ny mpamaky. Toerana ifaneraseran’ny mpanoratra sy ny mpamoaka boky ankehitriny ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy, noho ny hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Amin’ny lafiny iray, misongadina be ny ezaka ataon’ny mpanoratra amin’ny fampahafantarana ny sanganasany. Tonga hatrany amin’ny famoahana […]




