Miandry ny “visa de long séjour” avy amin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), amin’ny hifindrany any Frantsa. Hanampy azy amin’ny fahazoana izany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalaon’ny CFFA teo aloha. Miandry ny fahavitan’ny «visa de long séjour»-ny izy, hahazoany miverina any Frantsa, […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Manohy ny asa fampandrosoana ny faritra Analamanga. Anisan’izany ny fanamboarana ny lalana rarivato eny Ambodirano Ampefiloha hahafahan’ny mponina mivezivezy ao anatin’izao fotoam-pahavaratra izao. Miainga eo amin’ny EPP mitsofoka any anaty tanàna ny fanamboarana. Hamafisina ihany koa ireo rarivato efa vita teo aloha mba hampateza azy. “Fampananan-tany ny vehivavy any ambanivohitra, […]
Loko misy firamainty : loza ho an’ny fahasalamam-bahoaka
Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana momba ny herinandro maneran-tany ho fisorohana ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty anaty loko. Andiany faha-11 nisian’ny hetsika amin’ity taona ity. “Manatsahatra ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty” no lohahevitra. Iarahana manatanteraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Alliance mondiale ny hetsika izay tarihin’ny OMS […]
MADAGASIKARA: niatrika ny tetikasa “RDRM-OI”
Nandray anjara tamin’ny atrikasa mahakasika ny Tetikasa momba ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny loza na RDRM-OI i Madagasikara, ny herinandro teo, tany amin’ny Nosy La Réunion. Mpandray anjara tamin’izany ireo firenena 5 ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Nojerena ny fomba hametrahana ny vovonam-paritra miompana amin’ny fitantanana ny loza sy ny […]
Oniversiten’Antananarivo : “Tsy tokony hanaiky ho fitaovana politika ny mpianatra”
Manetana ireo mpianatra namany alaim-panahy ho lasa mpikaraman’ady amin’ny resaka politika hitandrina ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra nanao fanambarana omaly. Nanao fanambarana ny filohan’ny fikambanan’ ny mpianatra sy ireo monina eny amin’ny Cité Universitaire omaly, teny Ankatso II. Tsy hanaiky hatao fitaovana politika hampisarahana ny samy mpianatra eny amin’ny oniversite. Manameloka […]




