Taratra

Ambohimanarina: mpianaka mpivarotra rongony tra-tehaka

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny ramatoa iray sy ny zanany vavy mpivarotra rongony teny Ambodihady Ambohimanarina, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fanamparitahana io karazan-java-mahadomelina io, nitaraina teny amin’ny polisy ireo manodidina. Nijery ifotony ny zava-nisy, araka izany, ireto farany. Sarona tokoa ny vehivavy iray teo am-pivarotana rongony amin’ny fonosana maromaro. Natao […]

Antaniavo: mpiambina garazy iray may

Nitrangana hain-trano tetsy Antaniavo Antohomadinika, omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. May tamin’izany ny garazy trano hazo teo an-toerana. Tra-doza ihany koa ny lehilahy iray mpiambina ny toerana. May teo amin’ny tarehiny izy, saingy mbola afaka niantso vonjy tamin’ireo manodidina. Minitra vitsy taorian’io, vory teo ny mpiara-belona, niray hina […]

Fakana an-keriny: jiolahy roa maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy, lavon’ny zandary ireo roa lahy nikasa hanao fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina Androvakely, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Nitondra basy niampy zava-maranitra toy ny antsy sy famaky izy mirahalahy ireto. Taorian’ny nametrahan’ireto mpaka an-keriny ireto ny taratasy fampihorohoroana ireo mponina tao amin’io kaominina io, niditra an-tsehatra ny mpitandro […]

Vono olona Imerinkasinina: polisy ny efatra tamin’ireo 12 voasambotra

Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimaria momba ilay vono olona mahatsiravina teny Imerinkasinina. Polisy am-perinasa ny efatra ary kaomisera ny iray. Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimariam-pirenena tamin’ilay famonoana mpirakidraharaha sy mpamory hetra teny Imerinkasinina, ny herinandro teo. Voatondro ho tompon’antoka mivantana sy ankolaka ary niray tendro tamin’izany […]

Akon’ny Mondial 2022

Maratra i Enner Valencia Taorian’ny lalao tamin’ny alahady,  nihaonan’i Ekoatera sy Qatar, fantatra fa naratra sahady i Enner  Valencia, lohalaharana ekoatorianina. Io ny vaovao hita tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny ekipa. Ny ratra teo anivon’ny feny sy ny tongony nahazo azy. Nanome toky i Gustavo Alfaro, mpanazatra fa tsy maintsy hijoro izy, […]