Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ireo mpitia tsipy kanetibe. Hotanterahina anio sy rahampitso , ny “Grand open Telma”. Hampiantrano izany ny kianja Para Ivato. Hotolorana lelavola sy fanomezana ireo efatra voalohany. Natokana ho an’olona telo miaraka ny lalao ary misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra na manana kara-pilalaovana na tsia. Hotontosaina […]

3×3 World Tour: hiakatra kianja anio ny Malagasy

Hiakatra kianja anio sabotsy 14 oktobra, ny ekipa malagasy “Antananarivo”, hiatrika ny fifaninanana basikety “FIBA 3X3 World Tour”, tanterahina any Shanghai. Ao amin’ny sokajy “Masters”, vondrona C no misy ny ekipantsika, hifandona voalohany amin’izy 4 mirahalahy, ny ekipan’ny Beijing Chine. Mbola ekipa avy ao Chine, Futian ihany, aorian’izay no hifanandrina […]

Fifidianan’ny FMF : ho fantatra anio izay ho filoha

Tonga ity ilay fotoana efa nandrasan’ny maro, hahafantarana ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) vaovao. Hotanterahina anio sa­botsy 14 oktobra, eny amin’ny Novotel Ivan­dry, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF). Tsy maintsy iray amin’ireo kandidà miisa dimy mpifaninana amin’ izany no hitantana ny […]

ACMIL-Andiany faha- 44 : 30 mianadahy hanatevin-daharana ny Tafika

30 mianadahy tamin’ireo mpianatra andiany mivantana faha-44 nivoaka avy eo anivon’ny Akademia Miaramila Antsirabe (Acmil), hanatevin-daharana ny Tafika Malagasy, araka ny fitsinjarana azy ireo, tetsy Ampahibe, omaly. 58 mianadahy izy ireo no nahavita fiofanana nandritra ny roa taona sy efa-bolana teo anivon’ny sekoly. Ho an’ireo 28 mianadahy kosa, hanatevin-daharana ny […]

Fiovaovan’ny toetr’andro: mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana

Miteraka aretina maro samihafa ho an’ny olona, indrindra ny zaza sy ny efa nahazo taona ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Toy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Maro ny aretina mahazo ny olona amin’izao fo­toana izao vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. “150 isan’andro ireo tonga manatona mpitsabo, raha ho an’ny eo anivon’ny Centre […]