Taratra

Toekarena manga: ambany ny vokatra drakaka eto amintsika

“Tsy maharaka ny filana ny hazandrano drakaka eto Madagasikara raha oharina amin’ny tinady maneran-tany”, hoy ny minisitry ny Jono sy toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, ho an’ny taona 2024. Manodidina ny 4 250 taonina (t) ny drakaka naondrantsika izay tokony hampitomboina hamaliana ny tsena iraisam-pirenena. Pai­kadin’ny minisitera hanatrarana izany ny […]

Tetikasa Lac Iarivo: antenaina hitondra ny anjara birikiny ny tanora mpandraharaha

Tetikasa lehiben’ny fanjakana ny toerana fialamboly Lac Iarivo eny Ivato. Vonona hanome ny heriny sy ny fahaizany ny tanora mpandraharaha. Maherin’ny 100 ny tanora mpandraharaha nia­rahaba sy nirary soa ny filoha Rajoelina mivady, omaly, teny amin’ny La­pam-panjakana Iavoloha. Ni­tondra feo azy ireo Rave­lojaona Kanto, tomponandraikitry ny orinasa Zà-Tours Madagasikara. Nambarany […]

Top 12: hanatsara ny ezaka vita ny Uscar

Hiatrika ny lalao sakana eo amin’ny fifaninanana Top 12, hifandona amin’ny klioban’Anatihazo ny Uscar. « Tratra ny tanjona satria efa tonga amin’ny ankatoky ny famaranana ny ekipa », hoy ny fanazavan’ny mpanazatra ny klioban’ny Uscar, Razafindratsimba Marcelin. Tanjona amin’ity taom-pilalaovana ity, ny hampiakatra ny lentan’ny ezaka efa vita tamin’ny taon-dasa. Hanome ny […]

Fifaninanana Afrika Atsinanana: hifantina mpilalao ny federasiona

Hotanterahina eto Madagasikara, ny 28 hatramin’ny 31 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, “ping pong”, sokajy lahy sy vavy. Manoloana izany, hikarakara lalao hahafahana mifantina mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny Fe­de­rasiona malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT), ny 8 sy […]

Resin-tory ny tompon-trano: lasan’ny jiolahy ny entana rehetra tao an-trano

Mivoatra hatrany ny asan-jiolahy mpamaky trano ao Toa­masina. Tsy tranohazo na varavaran-kazo intsony no vakian’ireo olon-dratsy fa ma­hasahy mamaky vavahady vy sy varavaram-by mihitsy ireo jiolahy. Tsy re tsaika ihany koa ry zalahy rehefa miditra ao an-trano. Tranovato sy va­vahady vy miaraka amin’ny va­ravaram-by no nidiran’ny jiolahy ny alarobia alina […]