Taratra

INDRAY MIJERY

Foana ny filazana fampitandremana mahakasika ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra, na izany aza, mbola hahery ny ranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy. Hisy fiakarany misongadina ny maripana amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ary hiitatra tsikelikely amin’ny afovoantany sy ny ilany atsinanana izany. Ny faritra Atsimo […]

CUA- Sampana mpamonjy voina : mandray anjara amin’ny fanamarihana ny «Octobre Rose»

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Centre médical Kin­tana Ambatomena, ny fanombohana ny hetsika hanamarihana ny «Octobre Rose». Volana hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, izay nokarakarain’ny Sampana mpamonjy voina. Hetsika niarahana tamin’ny Fondation Akbaraly sy ny fikambananan’ny vehivavy ao amin’ny vondron’ny mpamonjy voina izay manambatra ny mpiasa sivily sy […]

Ambovombe : fianakaviana 111 nizarana sakafo

Notolorana sakafo ny fianakaviana 111 manana zanaka tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, antonony, avy amin’ny toby Analavao sy Ambonaivo, ao anatin’ny kaominina Ambohinaibo, distrika Ambovombe. Vary 50kg isaky ny fianakaviana sy Plumpy-Sup 15 fonosana isaky ny ankizy no nozaraina ho azy ireo, niaraka tamin’ny ekipan’ny ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo […]

Fampianarana : tsy ampy fiofanana ny mpanabe eto Madagasikara

Mila fiomanana ny fidirana amin’ny asan’ny mpanabe, hahatsapan’ireo misafidy hampianatra fa mamolavola olona feno izy ireo any an-dakilasy. Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanabe anio. Tsy misy ny hetsika manokana ho fanamarihana izany avy amin’ny minisitera mpiahy. Hanao famelabelaran-kevitra momba ny asan’ny mpanabe sy ny fiomanana amin’izany andraikitra izany kosa ny […]

Fiatrehana ny fivorian’ny Antenimiera: hanao tatitra eny amin’ny 13 mey ireo depiote

Hetsika hafa indray koa. Nanatitra taratasy fampahafantarana teny amin’ny prefektiora, Tsimbazaza, omaly, ireo depiote voafidy eto an-drenivohitra. Voalaza ao anatin’ izany fa hanao tatitra amin’ny vahoaka eny amin’ny kianjan’ ny 13 mey izy ireo ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 10 ora. Nambaran’ny fampahafantarana fa ireo depiote voafidy amin’ireo […]