Efa lasa ny zavatra taloha? Na efa tsy lasa fa tsy mampandroso, mampahantra vahoaka… Ny rafitra no antony noho ny fivangongoam-pahefana mitarika jadona, ohatra. Eo koa lalàna mangeja fa tsy azo atao, ohatra, no manao hetsika an-dalambe, raha tsy nahazoan-dalana. Hany ka fitakiana sosialy tsotra aza, miafara amin’ny fanalana […]
Taratra
Fanavaozana ny Repoblika : Vonona hanampy an’i Madagasikara i Gabon
Efa nandalo fanavaozana fitantanana i Gabon. Nitondra fampandrosoana sy filaminana izany. Fantatra izay tamin’ny fihaonan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny filohan’i Gabon, i Brice Clotaire Oligui Nguema, tany Libreville, Gabon, ny faran’ny herinandro teo. Azo alain-tahaka sy hiaraha-miasa i Gabon amin’ny fanananany traikefa ny amin’izany. Nilaza ny fahavononany […]
Niady tamin’ny olon-tiany; Vehivavy mpianatry ny Oniversite nisotro asidra iray litatra
Nitelina asidra efa ho iray litatra, nifamonjen’ny fokonolona sy ny mpitsabo ny vehivavy iray tao Andranomadio parisela 11/44, Toamasina, ny sabotsy 6 jona tamin’ny 9 ora maraina. Nahare olona nitaraina sy nitomany tao amin’ny tokantrano iray ny mpiray vodirindrina ka nijery ny zava-nisy. Vehivavy mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite io nanandrana […]
Ampasapito : Jiolahy dimy voasambotra
Ravan’ny mpitandro filaminana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Ampasapito, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Dimy lahy nitam-piadiana nikoninkonina hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Gamo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy eo anivon’ny SCUSI (Sakamainty) ka niroso tamin’ny fitsikilovana teny an-toerana. Sarona tokoa ireo jiolahy, ny alin’io sabosy io […]
Andranomahery-Ankorondrano : Tovolahy namoy ny ainy, nolerana zava-maranitra
Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka […]





