Taratra

Voalaza fa olon-dratsy: Mpiasana tetikasa matin’ ny fitsaram-bahoaka

Roa lahy izay mpampianatra sy miasa amina tetikasa nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Amba­to­faritana, kaominin’i Manampatrana, distrikan’Ikongo, omaly. Nisavorovoro ny mponina tao an-toerana fa nahin’izy ireo ho dahalo izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana azy roa lahy voatondro molotra ho olon-dratsy ireo. Nentin’ny tahotra, niezaka nandositra ireo voalaza ka tratra. […]

Farafangana: Ankizivavy 9 taona naolana mpitandro filaminana

Niova fandeha, voamarin’ny mpitsabo eo anivon’ny CHRR Farafangana fa niharan’ny fanolanana ny ankizivavy 9 taona, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy 16 janoary teo, tamin’ny 9 ora alina. Nanatona ny ray aman-drenin’ny zaza ilay mpitandro filaminana fa mi­tady mpanampy hikarakara ao an-tokantranony. Mody nanadihady ny renin’ilay ankizivavy io […]

Sombim-baovao

Araka ny fampitam-baovao avy amin’i Bandy Akama, mpanao gazety sy tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny klioba Elgeco Plus, omaly, voafidy ho mpanazatra hitondra ny klioba Elgeco Plus, Rafanomezantsoa Oelison na I Careca. Tsiahivina fa efa nitantana ity ekipa ity ihany i Careca teo aloha. Tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana […]

Tenisy – Afrika Aostraly: resin’i Zimbabwe i Madagasikara

Nitohy omaly, tany Whindoek Namibie, ny fifanintsanana isan-tarika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy U14 sy U16, lahy sy vavy. Resin’ny ekipan’i Zimbabwe, tamin’ny isa 2 no ho 0 teo amin’ ny manasa-dalana, ny Akomba de Madagascar U14, lehilahy. Ho an’olon-tokana, resin’i Mauchi, tamin’ny seta 2 […]