Nanainga afakomaly hariva, tetsy Ivato, hihazo an’i Maroc, ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, sokajy zandriny, U17 lehilahy. Araka ny vaovao voaray, omaly, hiatrika lalao ara-pirahalahiana any Maroc ireto Barea zandriny ireto, mandritra ny iray volana. Tsara marihina fa nahazo fanasana avy amin’ilay klioba any an-toerana, Raja Club Athletic, izy […]
Taratra
Fifanintsanana « Afrobasket 2025 »: mpilalao 18 hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly
Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety tao amin’ny pejiny facebook, omaly, ny lisitr’ireo mpilalao hitiliana izay hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifanintsanana ho an’ny « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy. 18 mirahalahy izy ireo no tafiditra ao anatin’izany. Mpilalao milaravinahitra 6 no tazana ao anaty lisitra, ahitana an’i Mathias M’Madi, Lahotan Rija, […]
Fiakaran’ny rano – Atsimo Andrefana: sokatra 12 000 voatery nafindra toerana
Tadindonin-doza vokatry ny fiakaran’ny rano tafahoatra, voatery nafindra toerana azo antoka ny sokatra miisa 12 000 ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, afakomaly. Ravan’ny rano tanteraka ny toeram-ponenan’izy ireo izay sahanin’ny « Turtel Survival Alliance na ny TSA”. Manoloana io ambana io, nandray fepetra ity vondrona tsy miankina misehatra amin’ny fiarovana ny sokatra […]
Hita ny marimaritra iraisana: hidina ny vidin-tsolika eny anivon’ny mpanjifa
Nahita marimaritra iraisana ny fitondrana malagasy sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Hidina ny vidin-tsolika manomboka anio: lasa 5700 Ar ny lasantsy, 4760 Ar ny gazoala. Tsy araka ny fahita hatramin’izay! Rehefa hatao ny fandalinana rehetra, azo tanterahina tokoa ny mampidina ny vidin-tsolika, na eo aza ny fidangan’ny vidim-piainana. Hanamarinana izany, […]
Vaovao tambatra
Tra-tehaky ny ekipan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny polisy nanana basy, nitondra fiara 4×4, nitondra zanaka voromahery, Ankoay, miisa 5, ny 16 janoary teo. Natao tanaty trano garaba ireo vorona, izay efa tsikaritry ny ekipan’ny Medd avy lavitra. Marihina, fa karazam-borona tandindomin-doza, sady tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny Ankoay. […]