Taratra

TSELATRA

Polisim-pirenena 142 isa no nahavita fiofanana mahakasika ny ady amin’ny fanondranana olombelona, omaly. Nanomboka ny 27 avrily 2026 ary nifarana omaly, teny amin’ny sekoly ambony ho an’ny polisim-pirenena Ivato (ENSP) izany. Niaraha-niasa tamin’ny Firenena mikambana (ONUDC) ny fiofanana. Tanjona lehibe ny fiarovana ny mpiray tanindrazana amin’ireo fanararaotana isan-karazany amin’ny fanondranana […]

Norobain’ny jiolahy mitam-basy: Lasa ny vola an-tapitrisa, ramatoa iray naratra

Nandrasan’ny jiolahy dimy manao saron-tava sady mitam-piadiana teo an-tokotany ny mpianakavy avy nitety tsena naka vola, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Hidina ny fiara nitondra azy, tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpivarotra tao anatin’ny fiara avy nanangona vola teny an-tsena ireo. […]

Tovolahy tsy salama saina: Nolerany antsy inefatra ny anabaviny

Voatsatoka inefatra tamin’ny antsy, tsy tana ny ain’ny vehivavy iray tao Manjakandriana, afakomaly. Nahavanon-doza ny anadahiny. Nentin’ny fokonolona iala­na nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny tovovavy vao erotrerony tao Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nivoa-dra be loatra vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy io vehivavy io. Miaraka monina amin’ny reniny […]

Faribolana Sandratra : Hanatontosa ny “Hadimiana Sandratra”

Tsy ataon’ny Faribolana Sandratra mandalo fotsiny ny Iray volan’ny teny malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy ry zareo, mandritra ny dimy andro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Trano­mbokim-pirenena Anosy, ny 8 ka hatramin’ny 12 jona izao. “Hadimiana Sandratra” rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika hatao amin’ireo fotoana […]