Ambohipihaonan’ireo tantsaha mpamokatra etsy Mahamasina. Vokatra natoraly sy biolojika no ifampizarany amin’ny mpiantsena ao. Nisokatra omaly ary haharitra 3 andro ny Foaran’ Analamanga andiany voalohany, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, karakarain’ny faritra Analamanga. 240 ireo tranoheva mampiranty ny vokatry ny tantsaha amin’ny fambolena, fiompiana, jono ary taozavatra. Ireo tantsaha mpamokatra […]
Taratra
Rafitra fampitandremana mialoha: hisy fandaharanasa ho an’ny taona 2023-2027
Hametraka fandaharanasa ho an’ny firenena, hotanterahina hatramin’ny taona 2027, momba ny rafitra fampitandremana mialoha ho an’ny rehetra ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny foibe famantarana ny toetry ny andro ary ny rafitra ivondronan’ny Firenena mikambana. Nisy fakan-kevitra nasionaly notanterahina nandritra ny roa andro izay […]
Tsy mahatody herinandro ny karaman’ny mpiasa: hanao fanehoan-kevitra am-pilaminana ny FSMM
Hanatanteraka fanehoan-kevitra am-pilaminana ireo sendikà mpikambana amin’ny fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) anio, eny amin’ny cathédrale Degs Ankatso. Voalazan’izy ireo fa tsy mahatody herinandro ny karama iray volana omen’ny mpampiasa satria tsy misy mihitsy ny “intégration” ary ambany be ny sandan’ny indemnité natokana ho an’ny trano fonenan’ny mpiasa. Tsy voaloan’ny […]
Dr Rabenirina Feno: avy amin’ireo karazan’aretina fototra no mahatonga ny aretim-po
Mahaliana ny olona ny mahafantatra ny fahasalaman’ny fony. Tsy ny sento sy hataitairana no hamaritana ny aretina fa mila tiliana mihitsy. Avy amin’ny karazan’aretina maromaro no mitarika ny tsy fahasalaman’ny fo raha ny fanazavana entin’ny Dr Rabenirina Feno. Nitondra fanazavana ny dokotera Rabenirina Feno fa maromaro ireo aretina fototra mitondra […]
Vaovao tambatra
Niakatra ho 3 100 Ar ny kilaon’ny vary « stock » hafarana avy any ivelany. Mahatonga izany ny halafosan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 400 dolara ny vidin’ny 1t. Raha adika io, mahatratra 140 000 Ar ny vidin’ny iray gony, milanja 50 kg, handraisan’ny mpamongady azy. Manodidina ny 2 800 Ar hatramin’ny […]




