Mifanao fotoana, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM/GZ) ny mpitia zavakanto sy ny tarika Sarandra Beloba. Ireo hira na gadona avy any amin’iny Faritra Anôsy iny no hoentin’izy ireo eny an-tsehatra. Misongadina ao anatin’izany ny mangaliba sy ny katreaky. Anisan’ny lalan-kizoran’ny Sarandra Beloba ny […]
Taratra
Kilalaon-tsaina malagasy : mirakitra zavatra maro ny fanorona
Mitaiza ny saina sy afaka atao paikady entina miaina amin’ny fiainana andavanandro ny fanorona. Mihatakon’ireo kilalao vahiny sy taty aoriana anefa izy ankehitriny. Tsy mikely soroka fa efa ao anatin’ny ezaka fameloma-maso izany ny tomponandraikitra. Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, manomboka ny 23 septambra 2023, ny fampianarana fanorona sy […]
Peace corps Madagascar: nampianatra teny tanana sy nanangana English Club i Ben sy i Kristy
Mpilatsaka an-tsitrapo 2 anisan’ny niverina voalohany teto Madagasikara taorian’ny valanaretina covid19, i Ben Breen sy i Kristy. Nahavita ny asany izy ireo ka hiverina any Etazonia amin’izay. Mampaneno lakolosy, toy izay ny fomba fanaon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Peace Corps ho fanamarihana ny fahavitan’ny asany teto amintsika. Niasa nandritra ny […]
Fiarahamonina Sivily: Tafajoro omaly ny CSCPM
Tontosa omaly, teny amin’ny Karibotel Analakely, ny valandresaka ho an’ ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny Coalition des sociétés civiles pour le progrès des Malagasy (CSCPM). Fiarahamonina sivily, ahitana fikambanana sy vovonana maro samihafa, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Tanjon’izy ireo ny hametraka fiarahamonina vaovao eto Madagasikara. Maro ny vinan’asa ho sahanin’ity fiarahamonina sivily vaovao […]
ONIVERSITE: Tsy hamerina ny fampianarana ny Seces
« Raha manam-bola handoavana ireo karaman’ny vacataires tsy mbola voaloa hatramin’izao sy ny indémnité maro ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo dia afaka manery ny fitohizan’ny fampianarana eny Ankatso sy Vontovorona”, hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, omaly. Ny tomponandraikitra avy amin’ny sekoly ambony politeknika […]




