Nirefodrefotra ny basy teny Alakamisy Fenoarivo, omaly hariva. Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary, iray tratra, iray tafatsoaka. Nikasa hanao fanafihana tranombarotra ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny zandary. Basy Kalachnikov iray tratra. Nitohy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny lonilony teo amin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion sy Maurice momba ilay penalty […]
Taratra
Karohina ny rainy : fatin-jaza sembana nasesika tanaty gony
Nampivarahontsana ny nanjo ity zalahikely vao sivy taona, tao Sambava. Novonoina, nasesika tanaty gony ny vatana mangatsiakany, nalatsaka tao an-davadrano. Ahiana ho tompon’antoka ny rainy. Ankizy sivy taona hita faty tao amin’ny fokontany Ambodimanga Angaiky, kaominina Marogaona, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Nariana tao anaty lavadrano izy rehefa nofonosina […]
Volley – Federasiona: voafidy ho filoha Raharimalala Léa
Nahazo vato 8 tamin’ny ireo ligy14 (Analamanga, Boeny, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra, Betsiboka, Itasy, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Androy, Fitovinany) tonga nifidy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, Raharimalala Léa. Araka izany, izy indray no hitantana ny Federasiona malagasin’ny taranja Volley-ball (FMVB). Nahazo vato […]
Lalaon’ny Nosy 2023: nomena 5 tapitrisa Ar ireo nahazo medaly volamena
Taorian’ny lalaon’ny Nosy, izay natao teto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra lasa teo, nanolotra vola ho an’ny atleta ny filoham-pirenena. Araka ny efa nampanantenain’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, tetsy Mahamasina, ny volana aogositra lasa teo, nomeny filoha 5 tapitrisa Ar avy ireo Malagasy atleta nahazo medaly volamena. Notanterahina […]
Kianjan’Alarobia: hotantanan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma
Araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly, teny Iavoloha, nomena ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny fitantananana ny kianjan’Alarobia. Nasiana fanamboarana avokoa ny efitrano fidiovana, ny fisoloana akanjo “vestiaire”, ny trano fandraisam-bahiny ” Salle VIP”. Tsiahivina fa nahazo medaly 40 ny taranja atletisma, nandritra ny lalaon’ny Nosy izay […]




