Hanao fanambarana ny haha kandidà azy na tsia ny filoha Rajoelina, anio. Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina, Mahamasina izany ary hatrehin’ireo mpikatroka TGV, avy nanao kongresy sy ireo fikambanana na antoko politika hafa. Efa nanapaka ny hanolorana azy ho kandidà ny fihaonambe teny Ivato, omaly. Kandidà nanatitra […]
Taratra
Fehinkevitry ny kongresy nasionaly : atolotry ny TGV ho kandidà ny filoha Rajoelina
Efa nampoizina. Tapaka tamin’ny kongresy nasionalin’ny TGV omaly, teny Ivato, fa ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry no hatolotra ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Hiakiaka sy horakoram-pifaliana ny nandraisan’ny rehetra izany, fanambarana izany. Niraisan’ireo mpizaika an’arivony hevitra niatrika izany fa tsy ampy ny fotoana tokony hitokanany ireo zava-bita. “Tahotra izany fampandrosoana […]
Lela roa !
Ao anatin’ny fihetsiketsehana amin’ny fifidianana tanteraka i Madagasikara. “Roso itoy, tsa mipody koa” ! Efa tafakatra 17 be izao ny olona nanatitra antontan-taratasiny teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly. Mihazakazaka ny mpanao politika na efa midangana dia midangana aza ilay anto-bola takina amin’izy ireo. Ndeha hatao […]
Fanahiana korontana: nahetsika hiatrana teto an-drenivohitra ny Emmo/Reg
Niatrana vao maraimbe tamin’ireo toerana samihafa teto an-drenivohitra, ireo mpitandro filaminana marobe, omaly. Voalaza fa ho fisorohana ny korontana ny anton’izany. Samy nahitana ireo eo anivon’ny Emmo/Reg ny teny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny teny Analakely. Ny teny amin’ny manodidina ny Magro Behoririka ary koa ny kianjan’Ambohijatovo, hatreny Ankatso. […]
Mihorohoro i Toamasina : tovolahy iray hita faty notondrahana asidra
Hita faty tao Analamalotra, teo amoron-dranomasina, ny alatsinainy teo, ny vatana mangatsiak’i Zafalie Marie Orlove, 20 taona. Mpianatra lalàna taona faharoa ao amin’ ny Oniversite Barikadimy Toamasina ity tovolahy niharam-boina ity. Razana efa simba novonoina tamin’ny fomba feno habibiana no hitan’ny olona teo amoron-dranomasina. Notondrahana asidra teo amin’ny lohany ka efa niraraka avokoa ny nofon-dohany […]




