22 ireo mpilalao nantsoin’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea, hiatrika ny lalao hikatrohana amin’ny Palança Negras-n’i Angola, eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2023”. Miisa 2 ireo vaovao hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy. Niantso mpilalao vaovao 2 i Rôrô, mpanazatra ny Barea, amin’ny lalao miverina hifandonana amin’ny Palança Negras-n’i Angola eo amin’ny […]
Taratra
Nandona kamiao: tovolahy 23 taona, matin’ny « scooter »
Maty tsy tra-drano ny tovolahy vao 23 taona, afakomaly. Nandona kamiao ny “scooter” notaingenany, araka ny fanambaran’ny zandary. Vaky ny lohany, potika ny fananany. Namoy ny ainy ny mpitandro moto “scooter” iray tao Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Avy any Ambohimalaza izy. “ Nandeha mafy […]
Fifidianana: tsy hanolotra kandidà ny Fiombonana
Vita omaly, teny Ambatomirahavavy, ny kongresy nasionalin’ny antoko Fiombonana. Mazava ny tapak’izy ireo. “Tsy handrotsaka kandidà ho filoham-pirenena aloha izahay nefa misokatra amin’ny hery rehetra. Anton’izany ny tsy fahafenoan’ ny fepetra miantoka ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny“, hoy ny sekretera jeneraly, i Durlin Retogniane. […]
AFF- Ravatomanga Haingo: “Miantso ny filoha Rajoelina Andry ho kandidà izahay”
Ranolava ny fiantsoana ny filohan’ny repoblika am-perinasa ho kandidà. Anisan’izany ny Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny ho valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry, manoloana ireo antso samihafa avy amin’ny sehatra isan-karazany tato ho ato. Tsy maintsy mametra-pialana izy ny faha-9 septambra raha […]
Famindrana ny labatoara: tafakatra 30 000Ar ny vidin-kena
Lasibatry ny savorovoro eny anivon’ny labatoara ao Toamasina ny mpivaro-kena sy ny mpanjifa. Nifampitadiavana ny hena rehetra hatramin’ny zoma teo. Nisahotaka ny tanànan’i Toamasina nanomboka ny zoma teo. Mananosarotra ny fitadiavana ny henan’omby, ny henan-kisoa, ny henan’ondry ary ny henan’osy hatramin’ny akoho, ao an-toerana. Vokatry ny fitokonana nataon’ny mponina tsy […]




