Araka ny fampanantenana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, atleta malagasy 45 mianadahy hanomanan-tena any Chine. Manomboka miditra tsikelikely amin’ny fanomanana matotra ny lalaon’ny Nosy ny atleta malagasy. Ankoatra ny fanazaran-tena izay efa tazana eny anivon’ny federasiona tsirairay, hanomboka ihany koa ny fandefasana ireo atleta any ivelany. […]
Taratra
Fifandraisan-davitra : tsy mbola azo ampiasaina ny tanjaka 5G
Teknolojia hiaka farany amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ny tanjaka 5G, raha ny 4G no mbola miasa eto amintsika. Raha ny fenitra iraisam-pirenena, omen’ny tanjaka 5G vahana kokoa ny onja manana « gamme » 3.5 GHz na ny onja (bande) laharana 78 (3,4 GHz hatramin’ny 3.8 GHz) sy ny laharana 26 GHz, na ny […]
Minisitry ny Toekarena sy ny vola : « Efa any amin’ny petra-bolan’ny mpiasa ny karama »
“Tsy isam-bolana akory dia hitondra fanavazana na hanaporofo momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny minisitera. Efa any amin’ny petra-bolan’ny mpiasa amin’izao ny karama voalaza”, io no nentin’ny minisitra mpiahy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, miantoka ny mpiasam-panjakana, tsy hiahiahy amin’ny feo miely manodidina ny karama. Nanamarina teny amin’ny Tahirimbolam-panjakana, tao amin’ny PGA*, izay […]
Pr. Ratsimbazafy Jonah : “Vitsy noho ny ala may ny ala voavoly”
20 % sisa ny ala tavela! Notsorin’ny Profesora Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Vondrona mpandalina ny varika (Gerp), fa mety tsy hisy ala intsony eto Madagasikara aorian’ny 30 taona raha mbola mitohy ny fandoroana ala. Manodidina ny 90.000 ha/taona ny ala may eto Madagasikara, raha 75.000 ha ny hazo voavoly. Notsindriany fa, […]
Fampandrosoana ifotony: hanangana fikambanana ny fokontany any Toliara II
Hivondrona anaty fikambanana ny sefo fokontany any amin’ny kaominina efatra ao anatin’ny distrika Toliara II. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, iatrehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ary indrindra ny hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena mba hisian’ny asa ho an’ny mponina. Nanao fivoriambe ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny, miisa 70 ao amin’ny […]





