Aretin’ny zokiolona efa maherin’ny 60 taona matetika ny Alzheimer. Manomana hetsika maro ny fikambanana Masoandro Mody hampahafantarana ny aretina mandritra ity volana septambra ity. “Tsy diso aloha loatra, tsy mbola tara loatra, alaviro dieny izao”. Io no lohahevitra amin’ny fanamarihana ny iray volana ho an’ireo mararin’ny aretina Alzheimer amin’ity volana […]
Taratra
Fahasalaman’ny voa Zava-dehibe ny fandaminana ny diabeta sy ny tosidra
Lasa aretina mateti-pitranga ny aretin’ny voa, ankehitriny . Mitondra fanazavana mikasika izany ny Profesora Randriamanantsoa Lova. Mandrindra ny tosidra, manary ny loto anatin’ny vatana ary mamorona ny selamena anaty ra no asan’ny voa. Azo sokajina ho roa ny tsy fanaovan’ny voa ny asany, raha ny fanazavana entin’ny profesora Randriamanantsoa Lova. […]
Indray mijery
Razanoely Manohisoa, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Hokuriku ao Kanazawa, Ishikawa sy i Rakoroharinaivo Balsama, hianatra teny sy kolontsaina japoney ao amin’ny Oniversiten’i Kyoto University of Foreign Studies. Izy roa ireo no nahazo ny vatsim-pianarana avy amin’ny governemanta japoney . Hotanterahina ny 7 sy 8 septambra izao, […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanao pao-droa i La Réunion teo amin’ny fandrombahana medaly volamena, taranja handball. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 30 no ho 22 ny Akio, sokajy vehivavy, omaly, teny Vontovorona. Lavon’i La Réunion, 28 no ho 16 koa ny lehilahy. Lasan’ny Ankoay daholo kosa ny volamena teo amin’ny basikety lalaovin’olona dimy. Ratsy […]
Filoha Rajoelina Andry: « Tratra ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy ity, voalohany i Madagasikara »
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy 2023. Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara. Hatao any Comores ny andiany faha-12. “ Tratrantsika ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity, nahazo ny laharana voalohany i Madagasikar.”, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly. […]




