Niteraka fahafatesana ny ady baolina kitra tao Tsaramandroso, fokontany Anahipisaka, kaominina ambanivohitr’i Belemoka, ny sabotsy teo. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy iray. Nisy fifamaliana teo aminy sy ny namany teo am-panaovam-baolina. Savorovoro noho ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpilalao no fototry ny olana. Tsy nahatanty ny mpilalao sasany […]
Taratra
Tsy niova hatrany am-boalohany: Nandrombaka medaly volamena 122 i Madagasikara
Fahombiazana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy. Afa-po ny vahiny. Tratra ny tanjona ho an’ny mpampiantrano, indrindra ho an’ny Atleta: medaly volamena 122. Medaly 272 be izao no noraofin’ny atleta malagasy nandray anjara tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Niakatra 122 ny medaly volamena, raha toa ka 100 ny tamin’ny […]
Tsy fandriampahalemana: mpamily taxi miisa telo nisy namono teto an-drenivohitra
Novonoina ! Nariana tanaty lakandrano teny Andraisoro ny vatana mangatsiakan’i Hery, mpamily taxi. Mangana sy feno ratra ny razana. Mbola teny aminy ny volany. Tafakatra telo ny mpamily taxi nisy namono teto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana. Hery, ilay hita faty teny Andraisoro, omaly maraina no farany. Nampandre ny mpitandro filaminana […]
Slam Media 2023: tsy misy very anjara ny mpiangaly Slam
Tontosaina ny alarobia 27 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny fijerena sy fitsarana ireo horonantsarin’ny mpandray anjara amin’ny Slam Media, ao anatin’ny « Slam nationale 14 » 2023. Sokajy iray natokana ho an’ireo tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly izy ity. Raketina anaty horonantsary ny fandraisana […]
ZDS Ankarafantsika : Kaomandy vaovao ny Jly Narivony José Marcellin
Tontosa omaly, tao Mahajanga ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana eo amin’ny Jly Saidi Sylvain Modeste, kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika (ZDS) teo aloha sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Narivony José Marcellin. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny […]




