Novonoina noho ny antony tsy fantatra, notriatriarin’ ny roa lahy antsy ny lehilahy iray tao Mandritsara. Nosamborin’ny fokonolona tany an-tranony ireo nahavanon-doza. Niaraka hividy zavatra tao amin’ny renivohitry ny kaominina misy azy ireo! Maty novonoina tamin’ny antsy ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampatakamaroreny, distrikan’i Mandritsara, ny talata 17 […]
Taratra
Tetezana ao Vohiposa: misy mangalatra ny vy
Ahiana hitera-doza raha mitohitohy, vy be mirefy efatra metatra mihazona ny tetezana ao amin’ny 2 km tsy hiditra ao Vohiposa no lasan’ny mpangalatra, ny 18 janoary teo. Sendra nanao fisafoana, tsikaritry ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa tapitra noesorin’ny olon-tsy fantatra avokoa ireo vy ireo. Atao hoe “Kadiomby”, miisa […]
Vokatry ny ora-nikija : vehivavy iray maty an-drano
Namono olona indray ny orambe tao Sahave, kaominina ambanivohitra Vohiposa, distrikan’ Ambohimahasoa, ny alatsinainy 16 janoary teo. Noentin’ny rano, tsy hita nanomboka ny alakamisy 12 janoary ny ramatoa iray tsy salama saina. Avy tamin’ny tanàna atao hoe Ingotra Avaratra, fokontany Anaradakana saika hamonjy ny havany ity renim-pianakaviana ity. Tao anatin’ny […]
Fandrobana volabe 136 tapitrisa Ar : ea-dahy naiditra eny Tsiafahy, vehivavy iray eny Antanimora
Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy efatra, raha eny Antanimora kosa ny vehivavy iray rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona teny Behoririka izy ireo… Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto olona dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fanafihana narahana vonoan’olona nahaverezana volabe 136 […]
Mahazoarivo-Antsirabe: nanampy ny sahirana ao amin-dry Masera ny GMMAR
Tany Mahazoarivo Antsirabe ny GMMAR, notarihin’ny filohany, omaly. Notoloran’ ny fikambanana fanampiana ireo sahirana ao amin-dry Masera tamin’ny alalan’ny fanohanan-dRamatao Randrianarisoa Riana Raymonde. Manoloana ny fiatrehana ny maitsoahitra, tsy nanadino ireo mpiray tanindrazana, mila fanampiana, ny fikambanana Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoelina na ny GMMAR. Nanolotra vary ho […]





