Taratra

Tsipy kanetibe : nahazo alalàna tamin’ny FIJP ny fifaninanana

Afaka ny ahiahy sy ny tebitebin’ny rehetra mpilalao sy mpankafy ny tsipy kanetibe. Ny alarobia lasa teo, nandefa mailaka ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ka nanome alalàna ny komity mpikarakara ny lalao (COJI) fa afaka hifaninanana amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity, ny taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, nosazian’io rafitra iraisam-pirenena io ny […]

KOM SY MJS: afaka mandray anjara ny taranja karate

Resaka nandeha nanomboka omaly, teny amin’ny tambajotran-tserasera, ny mahakasika ny taranja karate, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Ho fandravonana ny olana misy, nanao fanambarana niraisana, omaly, teny amin’ny Novotel Alaro­bia, ny eo anivon’ny Komity olympika Malagasy sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ izy ireo fa ho tombontsoan’ny firenena, afaka […]

Fanombohan’ny hetsika : ho tonga eto Antananarivo anio ny afon-dalao

Hanomboka anio, eto Madagasikara ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy anatin’ny ranomasimbe Indianina. Efa vonona ny fampiantranoana izany hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina izany. Anio zoma 25 aogositra ny fotoana hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hanamarika ny fanombohan’ny hetsika ny fahatongavan’ny afon-dalao, eto an-drenivohitra. Toerana hanatontosana ny […]

Sombim-baovao

Tratran’ny areti-kibo ireo maorisianina mpilalao basikety miisa telo, omaly. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izy ireo. Marihina fa efa eto an-toerana avokoa izy ireo, raha ny fanazavana voaray, efa voavaha ny olana ary efa salama tsara avokoa ny mpilalao. Tsiahivina fa i Maurice, miray vondrona « A » amin’i Madagasikara. Nifamotoana […]

Fanokafana ny lalaon’ny Nosy : hakotroka ny lanonana, hitondra ny saina i Laura

Higadona anio ilay fotoan-dehibe ho an’ny tontolon’ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo delegasiona vahiny rehetra avy amin’ireo nosy rahavavy handray anjara amin’izany. Efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana i Mada­gasikara indrindra ho an’ny lanonam-panokafana. Ankoatra ireo kabary hifandimbiasana, anisan’ny tena andrasana ireo seho sy ravaka […]