Antsiranana no manana ny taham-pahafahana ambony indrindra tamin’ny sampana teknika ho an’ny bakalorea 2023. Nahatratra 89,68% izany ho an’ity taona ity. Fianarantsoa kosa no manana ny taha ambany indrindra: 56,08%, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Hisy atrikasa momba ny fahakivian-tsaina tanteraka, karakarain’ny […]
Taratra
Boriborintany II : 400 ireo nisitraka ny fitsaboana manakaiky vahoaka
Nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana anio zoma ny hetsika fitsaboana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany faharoa. Tanterahina eny amin’ny fokontany Andohanimandroseza. Nahatratra 400 mahery ireo mponina tonga nijery ny toe-pahasalamany hatry ny omaly, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Ahitana tolotra samihafa mandritra ny hetsika. Anisan ’izany, […]
Fitantanana loza : nitsidika ny BNGRC ny ekipan’ny Sadc
Nitsidika ny foiben’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) ny delegasionan’ny SADC nandritra ny fandalovany eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Iray amin’ireo firenena andalovan’ny rivodoza matanjaka i Madagasikara tao anatin’ny roa taona farany. Na mafy aza ny fidiran’ny rivodoza teto amintsika, tsy mafy loatra ny fiantraikany noho […]
Sakoroka teny Ankatso: tora-bato sy doro kodiarana, nirefodrefotra ny grenady
Nitokona ny mpianatry ny oniversite Ankatso omaly, taorian’ny fitokonan’ny Seces. Nanakan-dalana, sy nandoro kodiarana ary nitora-bato izy ireo. Nalana ny «franchise universitaire». Mpianatra valo voasambotra, zandary iray hita naratra, nandritra ny fitokonana nataon’ireo mpianatra teny Ankatso, omaly tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpianatra sy […]
« Village Culturel des jeux des îles »: mahaliana ny mpitsidika ny kolontsain’ny nosy hafa
Efa nisokatra, ary azon’ny rehetra tsidihina, mandritra ny lalaon’ny Nosy, ny « Village Culturel des Jeux des îles », eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Toerana ahitana asa tanana sy haikanto samihafa. Ankoatra izay, misy koa ny hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto, iarahana amin’ireo mpanakanto avy amin’ny nosy manodidina. Tanjona amin’izao ny hampiala voly sy hitondra ny mpitsidika hitety […]




