Taratra

TSELATRA

Namoy ny ainy taorian’ny faharatrany ilay tovolahy niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohitri­manjaka, ny alahady teo. Nifandona tamin’ny fiara, tapaka ny fen’io lehilahy tra-doza io. Nentina novonjena teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Romana 12 : 8 no nentin’ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard namehy […]

Tao anaty toeram-pandihizana : renioney iray tratra niaraka tamin’ny cocaïne 4 g

Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy tamina toeram-pandihizana iray eto an-drenivohitra, ny sabotsy alina teo, ny teratany renioney iray 42 taona. Voarohirohy tamina raharaha fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’ireo toeram-pandihizana no nahatrarana ity mpizahatany Renioney ity niaraka tamin’ny cocaïne milanja […]

Nandroba mpivarotra : matin’ny fokonolona ilay dahalo

Potiky ny bala ny lohaliky ny dahalo iray anisan’ireo nandroba mpivarotra tao Soatana, distrikan’Antsahalova, faritra Melaky, afakomaly. Mpivarotra trondro maraina no norobain’ny enin-dahy. Lasa hatramin’ny entana. Niantso vonjy tamin’ny olon-tsotra manodidina ireo lasibatra. Nanara-dia ireo tsy vahalara ny mpiambina iray. Nitondra fitaovam-piadiana io mpiambina io ary nanampy azy ny fokonolona. […]

Fakana an-keriny: telo maty voatifitra, fito voasambotra

Lavon’ny bala ny telo tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny nokarohina tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny 19 aogositra teo. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny dahalo sady mpaka an-keriny telo lahy tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Antanetibe, kaominina Beronono, distrika Anjo­­zorobe, afakomaly. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana […]

Boriborintany II : hahazo tolotra ara-pahasalamana marolafy ny mponina

Hotanterahina eny amin’ny boriborintany faharoa, ao amin’ ny tany malalaka manoloana ny fokontany Andohaniman­dro­se­za, ny hetsika ara-pahasalamana eny an-toerana. Ny 22 ka hatramin’ny 25 aogositra izao no hanatanterahana izany. Hetsika karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra, amin’ny alalan’ny departemanta misahana ny fahasalamana. Tanjona ny hanolorana karazana tolotra ara-pahasalamana marolafy ho an’ny vahoaka […]