Hita avy hatrany ny tombontsoa entin’ny fahavitan’ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9) ho godirao. Mihena ny faharetan’ny fotoana hanaovana ny lalana, sady nidina koa ny saran-dalan’ny taksiborosy. Ho an’ny fifamoivoizana Toliara mankany Bevoay, nilaza Razafindramosa Germain, mponina any amin’ny kaominina Ankatsakatsa, akaikin’i Bevoay, fa nihena adiny 3 ny faharetan’ny dia, raha […]
Taratra
Tahirim-bola saodianina: 69 tapitrisa dolara ho an’ny tetikasa enina
Na tsy re loatra aza, anisan’ny manana ny toerany amin’ny fampandrosoana eto amintsika, ny Tahirim-bola saodianina (SFD). Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any amin’ny tapany atsimo andrefan’i Madagasikara ny fahavitan’ny tetezana any Mangoky. Anisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena manana ny lanjany eto Madagasikara ny Tahirim-bola saodianina ho an’ny fampandrosoana (SFD). Anisan’izany […]
TARATRY ny KANTO
Kabary sy kilalao malagasy. Mitohy hatrany ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy, maimaim-poana, karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana Manda Mpikabary. Ahitana izany avokoa ny boriborintany enina ary ny ankizy latsaky ny 15 taona no misitraka izany. Tantara an-tsehatra. Any Ambatomirahavavy indray ny ekipan’ny Iray Fy’Art, ny 9 […]
Mozika mifangaro: hanome voninahitra ireo efa lasa ry Sivy Mahasaky
Miavaka raha samy tarika! Mpanakanto samy manana ny karazana mozika iangaliany, ary samy kalaza amin’izany, no mandrafitra ny Sivy Mahasaky. Hevitra nipoitra avy tamin’i Tsilavina Ralaindimby io tany am-piandohana. Hevitra hafahafa, kanefa nanokatra ny fijerin’ny maro ny mozika malagasy: mpanakanto mpivoy ny hira vokatry ny tany, miaraka amin’ny mpiangaly rock, […]
Fampirantiana “Lamba forever” : tanjona ny hampahafantatra ny lamba sy ny tontolony
Mahatalanjona ny mahita ireo haikanto miranty eny amin’ny Hakanto Contemporary, ao anatin’ny fampirantiana “Lamba forever”. Betsaka ihany koa ireo tsy nanampo ny haikanto vita amin’ny lamba sy ny mety hampiasana azy ireny. Mitohy hatrany ny fampirantiana « Lamba forever », atao eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Fampirantiana izay efa nisokatra tamin’ny 8 […]




