Hangotraka ny lalao famaranana, hiadiana ny amboaran’ny Filoha. Fihaonana, hatao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, rahampitso alahady. Hamarana izany Antananarivo sy Toamasina. Ekipa efa diso mifankahalala tsara satria iray vondrona tany amin’ny fifanintsanana. Nisaraka ady sahala 1 sy 1, tamin’izany. Tsontsorimamba isarahana izany ity famaranana ity. Samy manana mpilalao kalaza sy havanana avokoa ny an-daniny […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Afaka enina andro. Hanomboka ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Fifaninanana izay hotanterahina eto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Maherin’ny 80 ny trano fandraisam-bahiny (hotel) afaka hivantanan’ireo delegasiona, izay mahatratra 4 400 isa. Nanatanteraka lalao fitsapana tao Mahamasina, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny alakamisy lasa teo. […]
« Mondial » vehivavy2023 : hiady ny amboarabe i Angleterre sy i Espagne
Hotanterahina rahampitso 20 aogositra ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, vehivavy. Hiady ny amboara volamena amin’izany i Angleterre sy i Espagne. Fihaonana hatao ao amin’ny kianjan’ny Accor Australie. Araka ny fikarohana natao, hanomboka amin’ny 1 ora atoandro, ora aty amintsika, ny lalaon’ny roa tonta. […]
Kitra – Amboaran’ny kaonfederasiona (CAF) : vonona handresy ny Gaborone FC ny Elgeco Plus
Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, taranja baolina kitra. Fihaonana, hifandonan’ny Elgeco Plus sy ny Gaborone FC, eo amin’ny lalao savaranonando mandroso. Hotanterahina anio sabotsy, manomboka amin’ny 5 ora hariva (ora Malagasy) ao amin’ny kianja Gaborone National Stadium, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (CAF), […]
VAOVAO TAMBATRA
Nanomboka omaly ary haharitra telo andro ny tsenaben’ny atody, andiany faharoa, atao eny amin’ny kianjabe Antanetibe Mahazaza, Mahitsy. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny mpamatsy sakafo ho an’ny biby fiompy sy ireo tantsaha mpiompy. Eo koa ny fampiasana ny fitaovana ara-teknolojia mba hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra. Nanaraka fiofanana […]




