Taratra

Hetsika “Mandresy Madagasikara” : hoentina am-bavaka ny firenena

Nanomboka omaly, tany an-tendrombohitra Ambon­drombe ny hetsika “Mandresy Madagasikara”, karakarain’ny Von­drom-bavaka dian’ny finoana (Vdfi). Hotanterahina manerana ny faritra 15 eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice izany manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fitondrana am-bavaka ny firenena, indrindra amin’izao vanim-potoana fifidianana izao izy ireo. “Vavaka ho an’ny […]

Minisiteran’ny Fiarovana… : miaramila Amerikanina telo lahy nomena mari-boninahitra

Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, afakomaly, ny lanonana ara-miaramila nanolorana mari-boninahitra ireo tomponandraikitra telo mirahalahy miasa eo anivon’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara. Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoa­rijaona Josoa, no nitarika ny lanonana, notronin’ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Ame­rikanina, Ann Williams, nisolo tena ny ambarasadaoro. Ho fankasitrahana ny asa vitan’izy ireo […]

Tobim-pahasalamana an-tsekoly: ho am-perinasa tanteraka amin’ity taona ity

Efa miparitaka eny amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ireo mpitsabo mpanampy hisahana ny fitsaboana ny ankizy eny amin’ny tobim-pahasalamana an-tsekoly, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena. Nanaraka fiofanana izy ireo ary nahazo ny fifanarahana arakasa. Efa vonona ihany koa ny fitaovana sy ny fanafody handraisana an-tanana ny tranga mety hiseho amin’ny mpianatra eny an-tsekoly. Raha sanatria tra-doza tampoka na tsy […]

Tohana avy amin’ny Japone : mitentina 141 038 Euros ny fanatsarana ny Lisea iray sy Epp

Nahatanteraka soniam-piaraha-miasa roa ny masoivohon’ ny japone, omaly, tetsy Ana­la­mahitsy. Nanao izany, ny Amba­­sadin’i Japon miasa eto Mada­ga­sikara, ABE Koji sy ireo mpitantana ny sekoly avy amin’ ny Lisea Vinaninkarena Antsi­rabe sy ny Epp Andohatape­naka. Ahafahana manangana trano vaovao ho an’ny lisea Vinanin­ka­rena sy hanitarana sy hanarenana ny sekoly ho […]

Fanilon’i Madagasikara: manatanteraka ny lasy “Tao II” ireo filoha

Manatontosa lasy “Tao faharoa” antsoina hoe: “Maha­tsan­gy”, eny amin’ny Akamasoa, ny fikambanana Fanilon’i Madagasikara. Nanomboka ny 15 hatramin’ny 20 Aogositra ho avy izao, izany. Mandray anjara mandritra izany ireo filoha 34 mirahavavy avy amin’ny diosezy sivy (Antananarivo, Ambanja, Port-Bergé, Mahajanga, Antsiranana, Fianaran­tsoa, Farafangana,Toliara ary Moramanga). Tanjona ny hamolavola ny filoha […]